Kitra – Fandaharanasa TDS : tetikasa hananganana Barea U.17

Tanterahina eto Madagasikara ny fandaharanasa fampiroboroboana ny talenta, amin’ny taranja baolina kitra, ho an’ireo kilonga 13 taona. Tanjona ny hananganana Barea U.17, handray anjara amin’ny « Can 2026 ».

Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny Novotel Ivandry ny tetikasa fampi­roboroboana ny talenta eo amin’ny taranja baolina kitra. Fanda­ha­ranasan’ny federasiona iraisam-pirenena (FIFA) izy ity ary misitraka izany, ireo firenena 186 aty Afrika. Entina hitilina ireo ankizy manana talenta saingy tsy voatrandraka no tena antony. Tsy mifidy fa voakasik’ity avokoa ireo kilonga 13 taona any amin’ny fokontany na eny amin’ireo sekoly sy toerana maro samihafa. Ha­ha­ritra hatramin’ny taona 2026 ny faharetany ka ny tanjona, handrafitra ekipam-pirenena latsaky ny 17 taona, handray anjara amin’ny « Can 2026 ». Miara-miasa amin’ny Malagasy teknisiana amin’ity tetikasa ity, i Etienne Sockeng, mpanolotsaina teknika eo anivon’ny FIFA. Nambaran’ity manampahaizan’ny federasiona iraisam-pirenena ity fa mitentina 50 000 dolara ny vola hamatsin’ny FIFA ity fandaharanasa ity, saingy tsy ho ampy izany ka nangataka ny hampitomboina izany ny FMF ka nahazo 100 000 dolara. Hisy fiofanana ataon’ireo Malaga­sy teknisianina. Aorian’izay hiparitaka manerana ny faritra 22 izy ireo ka hanao ny fitiliana ireo ankizy. Ankoatra izay, hatsangana ihany koa ny Academie fédéral, hivondronan’ireo ankizy voafantina ka hizara telo izany. Hisy ny any amin’ny faritra avaratra atsimo ary ny eto afovoantany. Hampihaoni­na ireo ankizy ireo ka eo no hananganana ny Bare U.17. Nanatrika ny fotoam-panokafana ny filo­han’ny federasiona, Andria­ma­nampisoa Alfred, nisaotra tamin’ny fanomezan’ny FIFA izao fandaharanasa izao. Vi­nan’ny federasiona iraisam-pirenena ny hampitovy lenta ireo firenena mpikambana rehetra ao aminy.

Tompondaka

Partager sur: