Efa anisan’ireo loholona miisa 10, niatrika ny fivoriana tetsy Anosikely, omaly, Razafimahefa Herimanana. Nivory ary nanapaka ny lahadinika hatramin’ny fiafaran’ny fivoriana ara-potoana faharoa eo anivon’ny Antenimierandoholona ny tenany. Anisan’ny handraisana fanapahan-kevitra momba ny volavolan-dalàna hifehy ny tetibolam-panjakana ankapobeny ho an’ny taona 2024, hotanterahina ny zoma izao.
Hitohy ny talata izany handaniana ny volavolan-dalàna hifehy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana naroson’ ny loholona Raymond Nala.
Nandray anjara tamin’ny fandaniana izany fandaharam-potoana izany ity filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha ity. Tsy tafiditra anaty lahadinika kosa anefa ny fifanatrehana eo amin’ny governemanta sy ny loholona, tahaka ny fanao mahazatra eo anivon’ny parlemanta roa tonta.
Savorovoro momba ny resaka famindram-pahefana…
Efa loholona tsotra izao ny tenany tahaka ireo loholona teo aloha, Rakotomanana Honoré. Efa indroa miantaona filohan’ny Antenimierandoholona ary niverina ho loholona tsotra.
Tsiahivina fa izao indray izany Razafimahefa Herimanana vao nivory, taorian’ireny savorovoro samihafa tamin’ny tsy namindrana taminy ny fahefana feno maha filoham-panjakana mpisolo toerana azy ireny. Teo koa ny nanilihana azy tsy ho filohan’ny Antenimierandoholona intsony sy tsy ho anisan’ny TGV azy intsony.
Synèse