Lisitry ny mpifidy : Azo atao ny fanavaozana manokana

“Voafaritry ny lalàna ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy (Rale). Ma­nomboka ny 1 desambra ka hatramin’ny 15 mey ny taona manaraka”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andria­ma­rotafika Soava, amin’izao Rale izao. Entanina ny tsirairay ha­natona ny fokontany fa ny lisi-pifidianana amin’izao ihany no hampiasaina.

Mety hitranga koa ny fanavaozana manokana hiatrehana fifidianana. Miankina amin’ ny fitondram-panjakana izany. Ho an’ny Ceni, ny fepetra ta­kin’ny lalàna hoe isan-taona ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy, manomboka ny 1 desambra hatramin’ny 15 mey, ary isaky ny folo taona ny fanavaozana tanteraka. Toko­ny hisoratra anarana ao anatin’izay fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy ireo olona feno taona nefa tsy mbola tafiditra tao anatin’ny fanavaozana tanteraka farany teo. Eo koa ireo nifindra fonenana, ireo vao feno taona… Tokony hofafana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy koa izay olona maty, ka ny havany akaiky no mampandre ny eny anivon’ny fokontany ny amin’izany.

R. Nd.

Partager sur: