Minisitra Sheikh Shakhboot: “Filamatra amin’ny fahaiza- mitarika ny filoha Rajoelina”

Noraisin’ny minisitry ny Raharaham-bahin’i Emirats Arabes-Unis, ny Sheikh Shakhboot bin Nahyan AlNahyan, ny filoha Rajoelina Andry, amin’izao fihaonana an-tampony ho an’ny Cop 28, tanterahina any Dubaï izao. Niaiky ny haitariky ny filoha ity minisitra ity.

Niarahaba ary nidera ma­nokana ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny tenany tamin’izany, ankoatra ny fiarahabana sy ny firariantsoa, amin’izao nahavoafidy azy indray ho filoham-pirenena izao. ”Fitaratra sady ohatra velona amin’ny fahaiza-mitarika ianao. Tsy ho an’i Ma­dagasikara ihany fa manerana an’i Afrika”, hoy izy. Nanteriny fa tena olon’ny fandraisana andraikitra ny filoha Rajoelina Andry ho an’ny kaontinanta­ben’i Afrika. Naneho fahavononana amin’ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny firenena roa tonta ity minisitra ity. Tafi­ditra ao anatin’izany ny fifanakalozana eo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Nireha­reha ny minisitra amin’izany fiaraha-miasa izany.

Hanafainganana ny fampandrosoana
Nambarany fa fahadimy i Emirats Arabes-Unis amin’ny filaharana amin’ny fifanakalozana amin’i Madagasikara. Ho voalohany kosa anefa eo amin’ny fiaraha-miasa. Naneho fahavononana eo amin’izany ity tomponandraikitra ambony any Emirats Arabes-Unis ity ary maniry ny hivelaran’izany bebe kokoa hatrany.
Anisany ny sehatry ny fizahantany, ny fambolena sy ny fanorenana fotodrafitrasa. Manampy izany koa ny sehatry ny indostria sy ny famoronana asa ho an’ny tanora. Eo ny sehatry ny fanofanana ireo mpiasam-panjakana ambony. Hojerena koa ny hanatsarana amin’ny hampitomboina ny fampiasam-bola hataon’izy ireo aty Madagasikara, tafiditra amin’ny ho fanohanana ny ezaka tanterahin’ny filoha Rajoelina Andry, araka ny nambarany. “Hanafainganana ny fampandrosoana izany ary samy ahazoan’ny firenena roa tonta tombony avy”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: