Raderanirina Sendrison: « Mbola manana ny fifidianana depiote ny vahoaka… »

Efa tokony hifantoka amin’ny fifidianana solombavambahoaka sy ny ben’ny Tanàna indray ny rehetra. Io ny hevitra nambaran-dRaderanirina Sendrison Daniela.

“Tany demokratika i Madagsikara ka ny fanarahana sy fanajana ireo fitsipika mamaritra izany no anisan’ny fanehoana izany”, hoy Raderanirina Sendrison Daniela, kandidà nandritra ny fifidianana filoham-pirenena malagasy farany teo. Niantso ny rehetra, indrindra ny vahoaka ihany koa ity kandidà ity mba ho tonga hifidy, haneho ny safidiny. “Any anaty vata fandatsaham-bato no fanehoana hevitra fa tsy eny an-dalambe”, hoy hatrany izy.
Naneho ny heviny ihany koa Raderanirina Sendrison Daniela, manoloana ny raharaham-pirenena misy ankehitriny. “Vita iny ny fifidianana filoham-pirenena ka aoka ny fifidianana solombavambahoaka indray no hifantohana mba hamaritana ny maro anisa eny amin’ny Anteni­miera roa tonta”, hoy ity kandidà nandritra ny fifidianana filoham-pirenena ity. Araka ny nambarany, mbola manana safidy ny vahoaka hametraka izay politika tiany hitondrana ny firenena amin’ny dimy taona manaraka.
Ny vahoaka no laharam-pahamehana, araka ny vinan’ity kandidà ity sy ny antokony. “Fototry ny fampandrosoana ny vahoaka ka tokony ho jerena manokana ny sosialim-bahoaka”, hoy hatrany izy.Tsy nanadino ny niarahaba sy nirary soa ny kandidà voafidy anefa ity kandidà laharana faha-11 ity. Nanambara ny fahavononany hiara-hiasa sy hifanome tanana, ho amin’ny tombontsoan’ny firenena malagasy ihany koa izy, araka ny nambarany. Niantso ny rehetra mba ho tony sy haneho ny heviny am-pilaminana sy ny fanajana ny maha tany demokratika an’i Madagasikara ihany koa izy.

Lin

Partager sur: