Araka ny vaovao hita tao anaty tambajotran-tserasera omaly, efa dingana farany sisa no hatao, hifindra ao amin’ny klioban’ny Inter Miami, Etats-Unis, i Luis Suarez, Orogoay mpilalao baolina kitra. Raha tanteraka io fifindrana io, miisa efatra izany ny mpilalao barcelone fahiny ao amin’izy ireo. Anisan’izany, i Messi sy Busquets ary Jordi Alba.
Notoloran’ny Magazine Time ny anaram-boninahitra “Athlète de l’année” ilay Argentin mpilalao baolina kitra, Lionel Messi. Natao ho fankasitrahana ny zava-bitany tamin’ity taona ity sy ny “Mondial 2022 », tany Qatar izany. Marihina fa izy irery ihany no mpilalao nahazo “ballon d’or” miisa valo amin’izao fotoana izao.
Hotontosaina ny sabotsy ho avy izao, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Rugby, diviziona faharoa. Anisan’ireo lalao andrasan’ny maro amin’izany ny fihaonana eo amin’ny Vakinankaratra sy ny XV Family Vondrona.
Miatrika fifaninanana “IWF Weightlifting Grand Prix II”, any Doha Dakar, Randafiarison Rosina sy Andriatsitohaina Tojo, Malagasy mpibata fonjamby. Anisan’ny ahazoan’izy ireo isa hiatrehana ny lalao Olympika 2024 any Paris, ity fifaninanana haharitra hatramin’ny 14 desambra ity. Miaraka amin’izy ireo any an-toerana ny mpanazatra, Andriatsitohaina Eric.