Tsiroanomandidy: trano roa may nodoran’ ny dahalo

Nodoran’ny dahalo ny trano fonenana, nentin’izy ireo ny omby miisa dimy tao amin’ny tanànan’Ambohimamory, kaominina ambanivohitra Ambatolampy, distrikan’i Tsiroanoman­didy, ny alin’ny alatsinainy 4 desambra teo. Nitam-piadiana ireo dahalo. Norobain’izy ireo avy hatrany ny omby tao anatin’ny vala ary nodorany ny tanàna. Tsy nilavo lefona anefa ny fokonolona ka nanara-dia. Nanampy azy ireo rahateo ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Vokany, latsaka teny amin’ireo olon-dratsy ny omby nangalariny rehefa nisy ny fifandonana tao amin’ny kizo Kianindrana, ny marain’ny talata teo tamin’ny 6 ora. Tsy nisy noraisina kosa ny trano miisa roa tao amin’ny fokontany Ambohimamory, vokatry ny fahamaizana. Nanohy ny diany nianatsimo ireo dahalo ary mitohy ny fanarahan-dia azy ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: