Nanomboka ny 6 desambra lasa teo ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy Junior, taranja lomano, tanterahina atsy amin’ny nosy Maorisy. Atleta 8 mianadahy no misolo tena an’i Madagasikara.
Hiditra amin’ny andro fahatelo ny “Juniors Swimming&Open Championships 2023” any Côte d’Or, Maorisy. Fifaninanana andiany faha-15, natokana ho an’ny atleta 14 hatramin’ny 18 taona. Raha ny tokony ho izy, Malagasy mpilomano 10 mianadahy no miatrika ity fifaninanana ity. Valo mianadahy ihany anefa no tonga any Maorisy, miaraka amin’ny mpanazatra sy ny Tale teknika nasionaly eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny lomano. Anisan’ny mandray anjara i Nomena Joslin, Malagasy mpilomano mila ravinahitra any ivelany. Sokajy dimy no hifaninanany, mandritra izao fiadiana ny tompondakan’i Afrika izao, ka ao anatin’izany ny 50 metatra sy 100 metatra “Nage libre”. I Nomena irery no “expatrié” misolotena an’i Madagasikara. Ankoatra azy, avy eto an-toerana avokoa ireo 7 mianadahy hafa, ahitana an’i Baritiana Mathieu, Andriampenomanana Mamihaja Nathan, Rabenjalinoro Mana Andraina, Rakotobe Tendry Tiavina, Razafindrandretsa Anjanirina Miranda, Razakatiana Finaritra ary Gaston Finoana Christina. Tsy afaka nihazo an’i Maorisy kosa i Aina Horavaka Emadisson sy Andrianaivo Ony Mbolasoa, araka ny fanazavana avy amin’ny federasiona.
Tsiahivina fa ity fifaninanana ity no lalao iraisam-pirenena farany amin’ity taona ity, andraisan’i Madagasikara anjara. Hamaranana ihany koa ny taom-pikatrohana 2023. Eto an-toerana kosa, efa miditra tsikelikely amin’ny taom-pikatrohana 2024 ny FMN. Ny ligin’Analamanga no hanomboka izany amin’ny alalan’ny “Coupe de Noël”, hatao ny 17 desambra izao, eny amin’ny ANS Ampefiloha.
Mi.Raz