Fetin’ny Krismasy : misafidy ny kilalao fanabeazana ny ray aman-dreny

Akaiky ny fetin’ny Krismasy. Mividy kilalao ho an-janany avokoa ny ankamaroan’ny ray aman-dreny. Anisan’ny safidin’izy ireny ny kilalao fanabeazana.

Tsy dia misy vanim-potoana loatra ny fividianana sy ny fandehanan’ny tsenan’ny kilalao, raha ny fanazavan’ny mpivarotra nanaovana fanadihadiana. Somary mandeha kosa ny tsena ho an’ny vanim-potoana akaiky fialan­tsasatra, fetin’ny Krismasy, fe­tin’ny paka ary indrindra ny fetin’ny fahaleovantena, raha ny fanazavana hatrany. Anto­ny mahatonga izany, ny fampifaliana sy fampialana voly ny zaza sy ny ankizy mandritra ireo fotoana ireo.
Maro mpisafidy ny kilalao fanabeazana (jeu éducatif) na dia maro aza ny karazana kilalao hita eo anivon’ny tsena. Maro amin’ny ray aman-dreny ny misafidy izany ho an-janany, amin’izao vanim-potoana akaiky Krismasy izao, raha ny fanadihadiana natao. Antony maro ny mahatonga azy ireo misafidy izany. “Manampy ny ankizy hanomana ny hoaviny, mahakinga ny sainy ary manome fa­halalana azy ireo ny kilalao fa­nabeazana”, hoy ny renim-pianakaviana mpanjifa, Sandrata Maya, raha nanontaniana. “Mitondra fahalalana sy mampiitatra ny saina ary mamparani-tsaina ny ankizy ihany koa ny kilalao fanabeazana”, hoy i Fanilo, mpivarotra eo anivon’ny Mignion Impex, etsy Ambodifilao.
Lalao natao hianarana fa­haiza-miketrika, mampita fahalalana ary mampivelatra ny fahaiza-manaon’ny ankizy ny atao hoe lalao fanabeazana, raha ny famaritana azy. Mety ho lalao miendrika horonantsary izany, lalao nentim-paharazana na lalao eny anivon’ny tambajotran-tserasera. Maro karazana ny kilalao fanabeazana, ahitana izany avokoa eny anivo’ny tsena maro samihafa. Anisan’izany ny «les petits raffineurs», « labyrinthe en bois », « les lettres », « mon premier imagier bilingue », « calendrier enfant éduca­tif »,…

Anisan’ny fitaovana enti-mampianatra

Ankoatra izay, ampiasaina any an-tsekoly izy ireny. « Tafi­ditra indrindra, ho anisan’ny fitaovam-pampianarana, hampitan’ny mpampianatra ny lesona ho an’ny ankizy izany », hoy Andriamboavon­jisoa Haingo­tiana, mpampianatra. Nilaza izy fa mora kokoa ny mampita ny fanabeazana rehefa mampiasa ireny kilalao ireny. Anisan’izany, ny fampiasana ireo kilalao fanabeazana amin’ny alalan’ny en­drika, loko, isa… Nohamafisiny hatrany fa manampy ny ankizy hahay ahafantatra ny karazana loko, handahatra na hanisa ireny kilalao ireny.

Misy ihany koa ny kilalao mampianatra raharaha

Ankoatra izay, maro mpisafidy ihany koa ny kilalao mampianatra ny zaza sy ny ankizy hikarakara tokantrano. Toy ny tsikonona ho an’ny ankizivavy kely. “Hividianana ireny ny ankizivavy mba hahay hahandro sakafo”, hoy hatrany ity renim-pianakaviana ity. Fiara kosa ho an’ny tovolahy, izay mampianatra azy fa afaka mitondra fiara izy rehefa any aoriana any.
Maro isafidianana ny kilalao ho an’ny ankizy. Miova ny fomba filalaony azy rehefa miha mitombo ny taonan’ny ankizy iray. “Ho an’ny ankizy kely, tsy mahay milalao ny kilalao izy ireny fa mahavarina azy fotsiny izany », hoy kosa ny renim-pianakaviana iray mpividy kilalao tao amin’ity tranombarotra ity. Manom­boka mahafantatra ny tena fomba filalao ireny kilalao ireny ny ankizy rehefa miha lehibe. “Mbola tany am-bohoka ny zaza dia efa manomboka mieritreritra ny reny mahakasika ny zavatra fanaon’ny olona ho an’ny zaza vao teraka”, hoy Sondrota Maya, re­nim-pianakaviana. Nilaza izy fa rehefa teraka ny zaza dia lasa hay hoazy avokoa ny zava-drehetra mety ho an’ny zaza. Anisan’ny mahasoa ny zaza ihany koa ny boky, tafiditra ao anatin’ny kilalao. Ani­san’izany, ny boky “cartonnier”, izay mety ho an’ny zaza efa mahay mandray, hita ao amin’ny tranombarotra avokoa ireo kilalao ireo.

Efa nisy hatry ny ela ny kilalao

Ara-tantara, tamin’ny taonjato faharoa talohan’i Jesoa Kristy no nisian’ny kilalao voalohany indrindra. Tamin’ny vanim-potoanan’ny sivilizasiona lehibe tany Egypta sy Grika. Tsy mbola nisy fitsipika nifehy izany. Efa nanana eritreritra ny hampiditra ny kilalao ho anisan’ny fitaovana enti-mampita fanabeazana ireo mpitondra sy tomponandraikitra tamin’ireo vanim-potoana ireo. Ankoatra izay, nivoatra ny kilalao tamin’ny vanim-potoan’ny “Moyen-âge”. Nahitana karazana kilalao maro samihafa tamin’ny taona 950. Anisan’izany, ny “jeu d’échecs”, “jeux de cartes”, “figurines”.

Nahitam-piakarany 2% ny vidin’ny kilalao

Niara-niakatra tamin’ny vidim-piainana ny kilalao teto Madagasikara, tamin’ity taona 2023 ity, raha ny fanazavan’i Fanilo, mpivarotra eo anivon’ny Mignion Impex hatrany. Raha ho azy ireo manokana, nahitam-piakarana 2% ny vidin’ny kilalao raha oharina tamin’ny taon-dasa. Manom­boka eo amin’ny 2 000 Ariary ny kilalao “figuring”, izay mora indrindra. Mahatratra hatramin’ny 495 000 Ariary kosa ny lafo indrindra, izay “hélico-guidé”. Anisan’ny magazay, misehatra eo amin’ny fivarotana kilalao izy ireo, nanomboka tamin’ny 2019.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: