Rugby – Amboaran’i Madagasikara : adin’ny kartie sy ny boaty ny manasa-dalana

Hitana ny sain’ny rehetra amin’izao faran’ny herinandro izao, ny lalao manasa-dalana hiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby. Hangotraka ny fihaonana satria hidona ny kartie sy ny boaty.

Hotanterahina etsy amin’ ny kianja Makis An­dohatapenaka, rahampitso alahady, ny ankatoky ny famaranana, amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby. Tam Anosibe hifandona amin’ny Uscar ary ny FTM Manjakaray hifanazava amin’ny Cosfa. Hafanavay ny la­lao satria adin’ny boaty sy kartie.
5 taona aty aoriana vao hiverina hidona indray ny Uscar sy ny Tam Anosibe. Hanalavela amin’ity ry zareo Anosibe. Samy vonona handrombaka ny fandresena avokoa ny roa tonta. Efa ela rahateo izy ireo no tsy nibata ny amboara ka samy hikatsaka izany avokoa amin’ity. Samy manana ny fomba filalaony izy ireo. Manana mpilalao kinga sy mahay ihany koa ka ho resy izay tsy mitandrina.
Anisan’ny andrasan’ny rehetra koa ny fikatrohan’ny Cosfa (Bebaoty) sy ny FTM Manjakaray (Dakar). Ekipa diso mifankahalala loatra ry zalahy satria vao haingana no nidona teo amin’ny famaranana niadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2023. Nandrombaka ny fandresena tamin’izay ny Manjakaray. Hanonitra ny fahavoazany izany amin’ity ry Bebaoty. Mifankafantatra toy ny vary sy rano ny ekipa andaniny sy ankilany. Hiendrika famaranana kely ny lalaon’izy ireo.
Ekipa anisan’ny sangany indrindra eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, na ny FTM na ny Cosfa. Misy ireo mpilalao maro mandrafitra ny Makis ka ho sarotra ny haminavina izay ho mpandresy.
Mialoha ireo fihaonana roa ireo, hotanterahina ny maraina ny manasa-dalana, eo
amin’ny D1, sokajy vehivavy, hifandonan’ny SCB Besarety 1 sy ny RCTS Soavimasoan­dro ary ny FTM sy ny FTFA Antohomadinika.

Tompondaka

Partager sur: