«2ème Grand prix karting»: Tompondaka i Timothée Andriamamonjiarison

Nifarana omaly, teny amin’ ny «circuit» SRK Ime­rintsia­tosika, ny «2ème Grand prix karting», dingana fahenina sady farany amin’ny fifaninanam-pirenena. Voaho­sotra ho tompondakan’i Mada­gasikara, i Timothée Andria­ma­monjiarison rehefa natambatra ny vokatra azo nandritra ireo dingana enina ireo.
Marihina fa teo amin’ny laharana faharoa izy omaly. No­hamafisin’ity tompondakan’i Ma­dagasikara ity fa ny fanampian’i Jessy, mpanamory miaraka aminy no nahazoan’izy ireo ny amboara lehibe. Mitana ny laharana fahatelo i Jessy, ta­min’ity fifaninanana nasionaly ity.
“Tsy mora ny taom-pilalaovana tamin’ity. Maro ireo fa­namby sy tanjona nezahina notratrarina. Ny firaisan-tsainay no fototra nahazoana ny vokatra tsara toy izao”, hoy i Timothée, tompondakan’ny Karting Mada 2023.
Tsara ny mampahafantatra fa nizara sokajy telo ny fihaonana teny an-toerana tamin’ity lalao fa­mara­na­na ity. Nisy ny an’ny “Elite” sy ny “Junior” ary ny “Minime”. Tsara marihina fa nihodina impolo ny lalaon’ny “Elite” sy ny “Junior”, raha toa ka imbalo ny an’ny “minime”.

Randria

Partager sur: