Fibatana fonjamby-“Iwf grand prix” : niakatra sokajy 49 kg i Rosina, laharana faha-17

Nifarana ny faran’ny herinandro teo, tany Qatar, ny fifaninanana “Itw Grand Prix”, taranja fibatana fonjamby. Malagasy mpibata fonjamby roa no nisolotena an’i Madagasikara.

Fifaninanana ao anatin’ny fifanintsanana hahazoana tapakila amin’ny « lalao olympika » ity natrehin-dRanda­fiarison Rosina sy Andriatsito­haina Tojo, tany Qatar, nanomboka ny 4 desambra lasa teo ity. Izy mianadahy ireo no anisan’ny efa ao anaty lisitra ho anisan’ny hanao “JO 2024”, raha tsy misy ny fiovana. Raha ny vokatra, laharana faha-17 no nisy an’i Rosina. Nomarihin’ny mpanazatra azy ireo, Andriatsitohaina Éric, fa somary nanano sarotra kely ny fiatrehan’i Rosina ity fifaninanana ity satria niakatra sokajy 49 kg izy, raha toa 45 kg no nisy azy hatramin’izay. Mila fahavonona be sy fanomanana be anefa izany fiakarana sokajy izany. Hatramin’ny naha tompondaka lefitra maneran-tany an’i Rosina, roa volana lasa izay, no nampiakarana azy ho eo amin’ny sokajy 49kg. Ho an’ Andriatsitohaina Tojo kosa, nahazo laharana faha-4 izy teo amin’ny “arraché” saingy “non classé” teo amin’ny “épaule jeté” ka tsy tao anaty filaharana mihitsy. Na izany aza, tsara ny vokatra ho azy, araka ny nambaran’i Éric A. Tsara ny manamarika fa mbola ao anaty fifaninanana hahazoana ny tapakilan’ny « lalao olympika 2024 », hatao any Paris, avokoa izy mianadahy ireto ary samy mbola mitana ny laharana voalohany ao amin’ny sokajy misy azy avy. Mbola manana fifaninanana roa amin’ny taona 2024 i Rosina sy i Tojo, hahafahana mampitombo ny isany. Hiatrika ny lalao afrikanina izy ireo ny volana febroary 2024, any Ghana. Hifaninana amin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany indray izy ireo, aorian’izay ary ho fantatra ny filaharana farany mialohan’ny hiatrehana ny « lalao olympika 2024”.

Mi.Raz

Partager sur: