« Grand Tournoi d’Antananarivo »: tafita amin’ny dingana manaraka ireo ekipa sangany amin’ny OPL

Notanterahina teny amin’ny kianjan’Ambohidratrimo, nanomboka ny sabotsy sy ny omaly alahady, ny andro fahatelon’ny fifaninanana “Grand tournoi d’Antananarivo (GTA)”, taranja baolina kitra. Tafita amin’ny dingana manaraka avokoa ireo ekipa sangany amin’ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro League (OPL)”. Anisan’izany ny CFFA Andoharanofotsy, ny Elgeco Plus FC, ny Disciples FC, ny Ajesaia sy ny Cosfa. Ankoatra izay, ny FC Rouge sy ny US Pro ary ny Disciples FC Espoir no tafavoaka tao amin’ny vondrona nisy azy avy raha ho an’ireo ekipa avy eto amin’ny ligin’Analamanga.
Marihina fa natao hanomanan’ ireo klioba mifaninanana amin’ny OPL, ny taom-pilalaovana 2023-2024, ity lalao ity. Ankoatra izay, hotolorana lelavola 20 tapitrisa Ariary izay voahosotra ho tompondaka amin’ity fifanintsanana ity.

Fitia Randria

Ny voka-dalao rehetra :

Disciples FC (4) vs (1) Toulon AC
Spartiates (1) vs (6) Disciples Espoir
Elgeco Plus (5) vs (0) Net Foot
Cosfa (3) vs (0) Mama FC
AC ZM (0) vs (2) Ajesaia
Requin Bleu (1) vs (5) US Pro
Jet Kintana (0) vs (2) FC Rouge
CFFA (2) vs (1) AS St Anne

Partager sur: