Rugby – Amboaran’ i Madagasikara: hidona amin’ny famaranana ny Uscar sy ny Cosfa

Tafita ary hiatrika ny famaranana, hiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby, ny Uscar sy ny Cosfa. Afa-bela nanoloana ny FTM ny Bebaoty raha tsy mbola afaka nanaoloana ny Kaominnia ry zareo Anosibe.

Tontosa omaly alahady, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny lalao ankatoky ny famaranana, hiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby. Nivoaka ho mpandresy ny Uscar (Kaominina Antananarivo Renivohitra) sy ny Cosfa (Bebaoty). Anisan’ny fihaonana nandrasan’ny rehetra ny an’ny Bebaoty sy ny FTM (Dakar). Nivoaka ho mpandresy, tamin’ny isa tery, 22 no ho 20 ny miaramila. Izay vao afa-bela ry zareo Bebaoty. Nampitsanga-mitoetra hatramin’ny segondra farany ny lalaon’ny roa tonta. Vao 5 mn nanombohana, nanokatra ny isa, tamin’ny alalan’ny baolina nentin-tanana voatsara, ny miaramila ka nitarika 7 no ho 0. Tsy ela ny valin-kafatra fa nosahalain’i Jean-Yves rehefa nahatsindry baolina, izay voatsaran’i Hery kely. Nifandim­biasa­na ny fanafihana avy eo. Nitarika ny an’ny Cosfa i Gervais sy i Said ary i Maxime. Nandrindra ny an’ny FTM i Lahatra sy i Koroka ary i Julio. Samy nahafaty “hors jeu” ny roa tonta ka 10 no ho 10, saingy mbola niampy baolina nentin-tanana tsy voatsara, ny an’ny miaramila. 15 no ho 10 ny isa nentina niala sasatra.
Fizaram-potoana faharoa, totoafo ny fanafihan’ny Bebaoty. Nahatonga baolina nentin-tanana roa izy ireo saingy tsy voatsara ny iray. Nitarika 22 no ho 10 ry zalahy. Nanao valim-panafihana ny FTM avy eo ka nahatsindry baolina nentin-tanana voatsara ka lasa 17 no ho 22. Nitohy hatrany ny fanafihana ka nahafaty “hors jeu”. Nifanakaiky ny isa, 22 no ho 20. Nitady hirika hatrany ry zalahy saingy nandatsaka baolina tany amin’ny segondra farany ny lohalaharana. Efa naneno rahateo ny “gong” ka avotra ny Bebaoty.

Tratry ny mokafohy
Teo amin’ny manasa-dalana ilany, lavon’ny Uscar tamin’ny mokafohy, 25 no ho 22 ny TAM Anosibe. Nitarika hatrany ny ekipan’ny kaominina, nahitana an’i Toussaint sy Radadatoa, anisan’ny nisongadina tamin’ireo baolina notsarainy. Maty avokoa mantsy izany. Noheverin’ny rehetra fa nanao fahadisoana taktika ny mpanazatra ny TAM. Nahazo “hors jeu” nanoloana ny haintso mantsy ry zalahy saingy tsy notsaraina izany ka nivadika ho tombony ho an’ny mpifanandrina. Adin’ny samy boaty izany ny famaranana, izay hotanterahina ny alahady 17 desambra ho avy izao. Hifampitana eo amin’ny laharana fahatelo ny samy kartie, ny FTM sy ny TAM.

Tompondaka

Partager sur: