ZDS Ikopa: Kaomandy vaovao ny Jly Dera Didier

Notontosaina ny 8 desambra 2023, tao amin’ny Bataillon Infanterie Antananarivo eny Fiadanana, ny lanonana ara-miaramila fandraisam-pibaikoan’ny kaomandin’ny fari-piarovana sy filaminana Ikopa (ZDS Ikopa). Ny Jly Dera Zafindravola­mananarivelo Didier no voatendry ho kaomandy vaovao ny ZDS Ikopa. Nitarika ny lanonana ny lehiben’ny Etamazaoron’ ireo Tafika, ny Jly Sahivelo Lala Delphin. Nanome voninahitra izany ny sekretera maharitry ny filaminana sy ny fandriampahalemana, ny amiraly Randrianarisoa Marosoa Nonenana. Teo koa ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Rakotondrazaka Andry, niaraka tamin’ ireo tale isan-tsokajiny eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena sy ireo etamazaoro. Nanamafy ity manamboninahitra jeneraly, kaomandy vaovao, ity fa hanohy ny ezaka efa vi­tan’ny kaomandy teo aloha ka hitady ny fomba rehetra hampandriana fahalemana ny faritra iadidiany.

Jean Claude

Partager sur: