Tsy ny mpamily fiara sy moto ihany no mila mahay ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana fa ny olon-drehetra. Tokony hoezahina ampianarina ny rehetra, miainga any amin’ny ankizy izany, raha ny fanadihadiana natao. Ankoatra izay, tokony hianatra ny fahaiza-miaina sy ny fahalalam-pomba eny an-dalana ihany koa ny tsirairay.
Sokajina ho mpampiasa lalana avokoa ny mpamily fiara misy motera na tsia, ny mpandroaka biby mpitarika, mpitondra entana na fiara fitaingina, ny mpandeha fiarakodia ary ny mpandeha an-tongotra, araka ny lalàna laharana faha-2017-002, and 1.2-3, mahakasika ny fehezan-dalàna momba ny fifamoivoizana. Natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra kosa ny sisin-dalana. Ho an’ny bisikileta ny “bande cyclable”.
Olana tsapa ny fikorontanan’ny fifamoivoizana manerana ny Nosy efa tao anatin’ny taona maro. Antony maro no mahatonga izany. « Tsy mifanaraka amin’ny fotodrafitrasa misy eto amin’ny Nosy ny lesona ampianarina any amin’ ny familiana fiara sy moto », hoy ny tomponandraikitra voalohany eo anivon’ny auto-école iray, Jacky Abdou Gerard. Mameno ny sisin-dalana roa ny mpivarotra. Mitaingina sy miakatra eny ihany koa ny fiara sasany rehefa mijanona. Vokany, tsy hitan’ny mpandeha an-tongotra intsony ny lalana natokana ho azy ka lasa mandeha eny amin’ny arabe izy ireo. Lasa tonga ho azy ny korontana.
Ankoatra izay, maro amin’ireo takelaka sy lamina hianarana any no tsy hita intsony eny amin’ny arabe. Toy ny jiro telosoratra, ny tsipika mandry amin’ny tany, ny jiro maroloko, ny takelaby… Misy mifandiso ihany koa ny fametahan’
ny tomponandraikitra azy ireny. Nohamafisiny anefa fa tena miasa betsaka sy manan-danja amin’ny fifamoivoizana izy ireny. Manoro sy manampy ny mpamily, ny rehetra hanaja ny fitsipiky ny fifamoivoizana. Eo ihany koa ny tsy fifanajana sy ny tsy fahaiza-mifandefitra eo amin’ny samy mpamily. Izay mety hitarika any amin’ny lozam-pifamoivoizana mihitsy.
Fitambaran’ny fitsipika sy lamina entina handrindrana ny fifamoivoizana mba hisorohana ny loza mety hitranga sy tsy handaniana fotoana be loatra ny hamaritana ny fitsipiky ny fifamoivoizana. “Hirindra sy hilamina ny fifamoivoizana rehetra eny andalam-be, raha mahay azy io avokoa ny olon-drehetra”, hoy ny mpampianatra eo anivon’ny auto-école Jacky etsy Ampasamadinika, Ramiliarijaona Fanomezantsoa Eric.
Mamily am-pifaliana
27 taona niasana sy nampianarana ny fomba familiana fiara sy moto ny auto-école Jacky, etsy ampasamadinika, anisan’ny mampianatra ankizy maro eto Antananarivo. Tarigetran’izy ireo ny hoe mamily am-pifaliana. “Ezahina ny hampielezana izany amin’ny mpamily rehetra manerana ny Nosy. Zavatra maro no voizina ao anatin’izany. Ny hamerenana indray ny fifanajana sy ny fifandeferana eo amin’ny samy mpamily. Na dia tsy lavorary aza ny fotodrafitrasa eo amin’ny fifamoivoizana eto Madagasikara”, hoy hatrany ny tomponandraikitra eo anivon’ny sekoly. Raha mandalo fihaonan-dalana ny fiara iray, raha manana fandeferana eo amin’ny 30 segondra eo ny mpamily iray. Tsy mihoatra ny 3 na 4 minitra eo ny fatiantoka ara-potoana ho an’ny mpamily iray. Ezaka ataon’ny fikambanan’ny mpampianatra mamily fiara sy moto ny fampiofanana. Tsy mionona amin’ny traikefa azo fa mila mihavao hatrany ny fampianarana sy ny fitaovana.
Tsy ampiharina ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana
Efa nisy hatramin’izay ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana eto Madagasikara. “Olana ny tsy tena fampiharana izany na dia efa nisy ny fanavaozana nataon’ny fanjakana aza”, hoy hatrany ny filoha mpitantana ny auto-école iray etsy Ampasamadinika. Nilaza izy fa samy tompon’andraikitra avokoa ny rehetra: ny fanjakana, ny mpampianatra, ny mpianatra, … Tokony hampiasaina araka ny tokony ho izy ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana.
Araka ny lalàna laharana faha-2017-002, andininy 7, andalana 1-2, mifehy ny fifamoivoizana, ny olona rehetra izay mitondra fiarakodia na mitondra biby eny amin’ny ankavian’ny arabe ao anatin’ny fepetra ara-dalàna ny fifamoivoizana. Ka mandika lalàna dia saziana lamandy 100 000 hatramin’ny 500 000 Ar. Raha mitranga ny famerenan-keloka, ambara ny sazy fanagadrana iray volana hatramin’ny enim-bolana an-tranomaizina.
Tanora eo anelanelan’ny 18 hatramin’ny 35 taona ny 80 % amin’ny mpianatra amin’ny ankapobeny, raha ny tatitra voaray avy eo anivon’ny auto-école Jacky manokana. Entina hanampiana ny diplaoma eo an-tanana ny mahatonga azy ireo mianatra, raha ny fanadihadiana natao. Maro karazana ny sokajy ahafahana mamily. Sokajy “A’ ” ny natokana ho an’ny moto manana hadiry latsaky ny 125cc. “A” kosa, natokana ho an’ny moto manana hadiry mihoatra io voalaza io. Ho an’ny fahazahoan-dalana hitondra fiara indray, misy ny sokajy “B”, natokana ho an’ny fiara madinika latsaky ny 3,5 t. Rehefa manana traikefa herintaona, afaka maka sokajy C, D, E kosa ny mpamily iray (azo alaina miaraka), raha mifanaraka amin’ny taonany izany.
Nanatontosa : Mino