Nanao jery todika ny hetsika rehetra notanterahiny tao anatin’ny taona vitsy ny Hazovato Forello Expo, omaly, teny Antaninarenina. Tsara ny vokatra, « afapo izahay. Nahafahana nahitana fomba fiasa vaovao hanatsarana ny hetsika mbola ho avy ireo vita rehetra. Nahazoana mpiara-miasa vaovao ihany koa izany », hoy ny fanazavan’ny talen’ny Forello Expo, Laélia Monloup. Goavana ireo hetsika natao, izay nampivondronana mpandraharaha samihafa avy any amin’ny faritra sy avy any amin’ireo nosy manodidina tamina toerana iray. Samy nampiranty ny fahaiza-manaony avokoa ny mpandray anjara rehetra nandritra ireo hetsika natao rehetra. Antoka ho an’ny lalambarotra ihany koa ny hetsika nokarakarain’ny Hazovato Forello Expo. Nanome toky, noho izany, ny hanatsara hatrany ny tolotra omeny ireo mpikarakara. Ho jerena manokana ny momba ny fotodrafitrasa sy ny fanajariana ny velaran-tany.
Vina
Tanjona ho an’ny taona 2024 ny fampiroboroboana ny fampihaonana an’ireo mpandraharahana sy ny fampahafantarana ireo lohahevitra ho resahina mandritra ireo hetsika. Hotanterahina ny 11-14 avrily 2024 izao ny «salon des transports, de la logistique et de la manutention» andiany fahatelo. Atao ny 23-26 mey kosa ny «foire internationale de Madagascar (FIM)» andiany faha-18. Ny 12-15 septambra ny «tsenaben’ny fambolena (foire internationale de l’agriculture)» andiany fahenina. Heverina hatao ny 24-27 oktobra kosa ny «salon international de l’habitat», andiany faha-26.
Henintsoa H.