Kitra – Cosafa Scolaire: iray vondrona amin’i Afrika Atsimo i Madagascar

Hanomboka rahampitso alakamisy ao Harare, renivohitr’i Zimbabwe ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, ho an’ny ankizy mpianatra «Cosafa U15», lahy sy vavy. Fifani­nanana ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika. Ao amin’ny vondrona «B» i Madagasikara miaraka amin’i Afrika Atsimo, Zambie, Angola ary i Namibie. Azo lazaina fa maozatra ity sokajy misy an’i Madagasikara ity.
Nanainga ny alatsinainy lasa teo ny delegasiona ma­lagasy ary efa any an-toerana amin’izao fotoana izao. Vo­nona tanteraka ireo Malagasy mpilalao, na sambany vao handray anjara amin’izany aza. Madagasikara rahateo no hany firenena vaovao mifaninana amin’ity “Cosafa ho an’ny mpianatra” ity. Raha ny fandaharan-dalao, hidona voalohany amin’ny Malagasy i Namibie, eo amin’ny andro voalohany, ny alakamisy izao. Hiatrika lalao telo be izao ny Malagasy ny zoma 15 desambra. Hifanandrina amin’i An­gola, avy eo hidona amin’i Afrika Atsimo, ary lalao farany amin’ny fifanintsanana isam-bondrona ny fihaonana amin’i Zambie. Miatrika ny manasa-dalana ireo ekipa 2 voalohany.
Tsiahivina fa hisolontena ny faritra atsimon’i Afrika, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hatao ny volana avrily 2024 izay ho tompondaka amin’ity.

Tompondaka

Partager sur: