VAOVAO TAMBATRA

Hanomboka anio, eny amin’ny zaridainan’ Antaninarenina, ny tsenaben’ny mpandraharaha. Hetsika mampivondrona amina toerana iray an’ireo mpiantsehatra rehetra eo amin’ny sehatry ny toekarena. Samy hampiranty ny fahaiza-manaony sy ny vokatra ataony avokoa ireo mpandraharaha samihafa.
Mitentina hatrany amin’ny 261,1 miliara Ar ny vola azo tamin’ny fampidirana “fripy” teto Madaga­sikara, nandritra ny enim-bolana voalohan’ny taona 2023. Nahitana fitomboana hatrany amin’ny 44 400t kosa ny lamba namidy teny an-tsena, fiakarana manodidina ny 4 100t, raha oharina tamin’ny taon-dasa.
Miisa 57 ireo mpandraharaha lavanila nahafeno ny fepetra sy nahazo fankatoavana avy amin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria, ny varotra ary ny fanjifana ka afaka hanondram-bokatra mandritra ny taom-piotazana 2023-2024. Misy ihany koa ny fepetra takin’ny fanjakana momba ny famerenana ny vola vahiny azo avy amin’izany.
Nigadona ao amin’ny seranan-tsambon’i Toa­masina, ny alatsinainy teo, ilay sambo lehibe Jacques-Cartier, nitondra mpizahatany 93 isa. Nitsidika ireo valan-javaboarin’Ivoloina sy ny Lakandranon’i Pangalana ireo mpiala sasatra. Andrasana ho avy ny 20 desambra izao kosa ny sambo lehibe Champlain, mitondra mpizahatany maro hafa.

Partager sur: