Heverina ny fifaninanana baolina kitra eto Antananarivo afaka efatr’andro. Hotanterahina ny alahady ho avy izao, etsy amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus, ny lalao manasa-dalan’ny fifanintsanana “Grand Tournoi d’Antananarivo (GTA)”. Ny ekipan’ny Elgeco Plus “OPL” hihaona amin’ ny US Pro Analamanga ary ny Ajesaia “OPL” hifanandrina amin’ny Disciples FC “OPL”.
Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny maro ity lalao faharoa ity. Hanala vela amin’ ny ekipan’i Bongolava, mandritra ny fihaonana, ny Disciples. Raha tsiahivina, efa tamin’ny taona 2021 ny fifanandrinana nisy farany teo amin’ny roa tonta. Lalao manasa-dalana niadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara koa izany. Resin’ny Ajesaia, tany amin’ny fandakana “tirs au but” ny ekipan’i Vakinankaratra.
Hatao amin’ny 10 janoary ho avy izao, ny famaranan’ny GTA. Hotolorana lelavola 20 tapitrisa Ariary izay tompondaka amin’ity andiany voalohany ity. Natao hanomanana ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro League 2024” ny fifanintsanana GTA.
Fitia Randria
Lalao manasa-dalana GTA :
Alahady 7 janoary 2024, kianja Elgeco Plus By pass :
12 ora sy sasany : US Pro vs Elgeco Plus
2 ora sy sasany : Ajesaia vs Disciples FC