Malagasy judokas miisa telo handeha hanaraka fanazaran-tena, miaraka amin’ny ekipa nasionaly frantsay, any la Réunion. Anisan’izany i Lucas, sokajy ( -66kg), i Rayan (-73kg), i Fetra (-81 kg). Maharitra sivy andro eo ity fiofanana ity, hanomboka ny 4 hatramin’ny 12 janoary ho avy izao izany.
Araka ny vaovao hita tao anaty tambajotran-tserasera omaly, manomboka miverina manao fanazaran-tena miaraka amin’ireo namany, ao amin’ny klioba Real Madrid Espagne , i Arda Guler. Marihina fa ity mpilalaon’ny Real ity, tsy mbola niakatra kianja mihitsy hatramin’ny nahatongavany tao amin’ity klioba espaniola ity.
Mbola mitana ny laharana voalohany ihany ny ekipan’ny Liverpool FC amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Angleterre “Premier League”. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 4 no ho 2 ny ekipan’ny Newcastle FC, ny alatsinainy lasa teo, tao amin’ny kianjan’ny Anfield. Marihina fa nahatafiditra baolina roa i Salah, lohalaharana Liverpool.
Hotanterahina anio, ao amin’ny kianjan’ny Parc de Prince Paris, ny lalao famaranan’ny “Trophée des Champions” any France. Hiady ny amboara amin’izany ny Paris Saint Germain FC (PSG) sy ny Toulouse FC. Ny mpanazatran’ny PSG, Luis Enrique, dia nanamafy ny hanaovan’izy ireo ny fomba rehetra hahazoana io amboara io.