“CAN 2024” : mbola baraingo ny fandefasana mivantana amin’ny TVM

Miandrandra mafy ny hanarahana mivantana amin’ny fahitalavi-pirenena (TVM), ny lalaon’ny CAN, ny Malagasy mpankafy baolina kitra. Mbola tsy nisy anefa fanambarana ofisialy ny mety hahazoana mandefa izany.

Folo andro katroka mialohan’ny fanombohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny ekipam-pirenena, “CAN 2024”, taranja baolina kitra, anio. Fifaninanana tanterahina any Côte d’Ivoire, manomboka ny 13 janoary ho avy izao. Hatramin’izao, tsy mbola fantatra na hahazo ny fampitana mivantana ny lalao ny fahitalavi-pirenena Malagasy (TVM), na tsia.

Araka ny lalàna mantsy efa misy orinasan-tserasera nividy ny fihaonana manontolo ka nomen’ny kaonfederasiona afrikanina (CAF) alalana mandefa izany. Tsy maintsy manao fifanarahana amin’izay nahazo ny sary ireo firenena rehetra maniry hampita ireo lalao amin’ity CAN ity.
Raha ho an’i Madaga­si­kara manokana, tsy mbola nisy fanambarana ofisialy avy amin’ny fitondram-panjakana ny amin’ny fandefasan’ny TVM mivantana io fihaonana an-tampony amin’ny baolina kitra aty Afrika io. Na tsy misy Barea de Madagascar mandray anjara aza dia mahaliana sy andrasan’ny Malagasy mpitia baolina kitra ny fanarahana ny lalao.
“Mangataka amin’ny filoham-pirenena izahay mba hanao izay azony hatao handefasan’ny TVM ny CAN mba hahazoana mijery ireo lalao ireo. Izy rahateo olona tia fanatanjahantena ka matoky azy izahay”, hoy i Tiana Jaona, raim-pianakaviana mpankafy baolina kitra.
Miisa 24 ireo firenena hiady ho lohany amin’izany. Hanokatra ny lalao ny 13 janoary ny Elefantan’i Côte d’Ivoire sy i Guinée-Bissau, ho an’ny vondrona “A”. Haharitra hatramin’ny 11 febroary ity CAN 2024, ity.

Tsiahivina fa misy Mala­gasy mpitsara iray voatendry amin’ity CAN ity dia Andrianti­narivelo Dimbiniaina. Hisa­hana ny fitsarana an-jorony ny tovolahy mandritra ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ity.

Tompondaka

Partager sur: