Fikambanana GMMAR : nanampy ny traboina tao Manakara

Manoloana ny voina mianjady amin’ny va­hoakan’i Manakara, noho ny rivodoza Alvaro, nitondra izay voatsirambin’ny tanany ny «Groupe Mamijo Miaraka amin’i Andry Ra­joelina» na ny GMMAR. Nisy ny zoma lasa teo, ny asa tagnamaro nataon’ny sampan’ny fikambanana any an-toerana tamin’ny fanadiovana tanàna. «Asa natakalo vary sy menaka no natao. Tokantrano dimapolo no nisitraka izany», hoy ny filoha nasionalin’ny GMMAR, Ranarison Mami­nirina na i Mamijo.
Tsy vao sambany no nanao hetsika tahaka izao ny fikambanana, fa efa maro ny zava-bita manerana ny faritra maro. Anisan’ireny ny fanomezana lavadrano tany Menabe, tao Miandrivazo. Toraka izany ny fanaterana vary ho an-dry masera tao Mahazoarivo, Antsirabe. Ny fanampiana ny fikambanana relijiozy mitaiza sembana ao Fianarantsoa.
Miitatra
Ny taona 2009, nandritra ny hetsi-bahoaka, no niforona ny fikambanana, izay manana ny reny mpiahy azy, Ran­drianarisoa Riana Raymonde. Renim-pianakaviana, anisan’ny angady nananana sy vy nahitana ny hoenti-manana amin’ny asa sosialy ataon’ny fikambanana, manerana ny Nosy. Efa misandrahaka ma­nerana ny faritra maro ny GMMAR : Androy, Anôsy, Atsinanana, Sofia, Diana, Sava, Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania, Vakinan­karatra, Alaotra mangoro, Vatovavy, Atsimo Atsinanana, Analanjirofo, Boeny, Atsimo Andrefana, Ihorombe, Bon­golava, Itasy, Betsiboka ary ny eto Analamanga. Andalana ny fametrahana ny sampana any Melaky.

Randria

Partager sur: