Fantatra omaly, ireo ekipa roa hilalao ny famaranan’ny “Grand Tournoi d’Antananarivo”. Nandrombaka ny fandresena ny US Pro Analamanga sy ny Disciples FC.
Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus by pass, ny lalao manasa-dalana ho an’ny fifaninanana “Grand Tournoi d’Antananarivo (GTA)”, taranja baolina kitra. Tafita hiatrika ny famaranana, ny ekipan’ny US Pro Analamanga sy ny Disciples FC. Lalao izay hotanterahina ny alahady 14 janoary ho avy izao, eny
amin’ny kianja Elgeco ihany.
Nandresy ny Elgeco Plus, tamin’ny isa 4 no ho 3, ny ekipan’ny US Pro Analamanga. Nampiondrika ny Ajesaia Bongolava tamin’ny isa 5 no ho 2 ny Disciples FC.
Raha hiverenana ny fihaonan’ny Elgeco Plus sy ny US Pro, nifandanja tanteraka ny lalao. Ady sahala 2 no ho 2 no nentin’ny roa tonta niala sasatra. Teo amin’ny fizaram-potoana faharoa, niafara tamin’ny ady sahala 3 no ho 3 ny lalao. Niditra tamin’ny fanalavam-potoana. Tany amin’ny minitra faha -111 no tafiditr’i Tigana, lohalaharan’ny US Pro ny baolina, nitondra ny fandresena ho an’ny ekipan’Analamanga. Resy tamin’ny isa 4 no 3 ny Elgeco Plus.
Afa-bela
Nomontsanin’ny Disciples FC tamin’ny isa 5 no ho 2 ny ekipan’ny Ajesaia Bongolava. Afa-bela tamin’ity farany, araka izany, ny mpilalaon’i Vakinankaratra. Ny ekipan’ny Ajesaia no nanokatra ny isa voalohany, tamin’ny alalan’i Nasa, roa minitra nanombohan’ny lalao. Taorian’io taitra tamin’ny torimason’ny Disciples FC. Nivadika ho 2 no ho 1 ny isa teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, mitarika ny ekipan’ny Vakinankaratra. Teo amin’ny fidirana faharoa, niampy indray ny isa teny amin’ny solaitrabe. 5 no ho 2 ny isa nentin’ny roa tonta nisarahana, lavo ny Ajesaia.
Natao hanomanana ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro League”, taom-pilalaovana 2023-2024 ny fifanintsanana GTA. Hanomboka ny 4 febroary ho avy izao ny “OPL”.
Fitia Randria