Hira fahiny : mitahiry soatoavina sy kolontsaina malagasy

Mbola maro mpan­kafy sy be mpitady ny hi­ran’ny omaly sy ny kalon’ny fahiny, ankehitriny. Anisan’ny mitahiry ny kolontsaina malagasy izy ireny, hoy ny mpanakanto.

Mizara roa lehibe ny fahitan’ny mpanakanto mamelona ny hiran’ny omaly sy ny kalon’ny fahiny eto Madagasikara, ankehitriny. Voalohany, zava-dehibe ny soatoavina ao anatin’ny hira. Manana anjara lehibe eo amin’ny fanabeazana sy fampitana ny fahalalana ho an’ny Malagasy ny zavatra raiketiny. “Miavaka ny hira fahiny satria manana ny soatoaviny izay mitahiry ny kolontsaina malagasy”, hoy Rasolondraibe Jeannot, filohan’ny sehatra BaGasy, sady filoha lefitry ny tarika Tsiahy. Nilaza izy fa hita taratra ao ny fampitana ny fanabeazana, ny fahendrena, ny fahalalana ary ny traikefam-piainana. Entin’ny mpakanto mandravaka ny sehatra teatraly ihany koa ny kalon’ny fahiny.
Faharoa, ny fampisehoana ny fahendrena sy ny fanahy entiny ao anatin’ny hafatry ny tononkira. “Misy ny fahendrena avoakan’ny tononkira ao amin’ny kalon’ny fahiny sy
ny hiran’ny omaly. Anisan’ny manasongadina sy manome lanja izany ny feo faharoa sy ny beso, ary ny rodombe. Izay matetika mamarana ny tantara an-tsehatra”, hoy kosa Ranaivoson Lucien, avy ao amin’ny feon’Imerina.
Mitady ho takona ny ko­lontsaina narovana sy noraketina tao anatin’ny hira fahiny, raha ny zavatra tsapa ankehitriny. Tsy mahafantatra izany karazana hira izany intsony ny ankamaroan’ny tanora sy ny ankizy amin’izao fotoana. Noho ny firoborobon’ny teknolojia sy ny fahavitsian’ny haino vaky jery mandefa fandaharana mahakasika izany. Tsy omena tsiny anefa ny tanora, satria tsy misy ny fafana na hevitra ahafahana mampita amin’ny tanora sy ny zaza malagasy eto an-toerana, raha ny fanazavana hatrany. “Zara raha heno eny anivon’
ny haino aman-jery maro eto Madagasikara ny kalon’ny fahiny”, hoy hatrany Rasolon­draibe Jeannot. Nambarany hatrany fa tsy handefa ny karazana fandaharana mampiseho izany ny haino vaky jery mivohy ny fitadiavam-bola fotsiny. Ezaka atao ny fandraisan’andraikitry ny governemanta hatrany amin’ny sehatry ny fanabeazana ary ny tokantrano tsirairay avy. Nilaza izy fa tokony ho eza­hin’ny haino vaky jery ny mandefa ny fandaharana mivoy ny kolontsaina malagasy. Eo koa ny hampidirana ny hira taloha any amin’ny fandaharam-pianarana. “Ankoatra izay, tsy ho sarotra ho an’ny zaza sy ny tanora malagasy ny mandray hafatra sy ny kolontsaina en­tin’ny kalon’ny fahiny raha toa ka henony amin’ny sehatra maro samihafa izany” raha ny nambarany. Aoka tsy hatao tsinontsinona ny kolontsaina amin’ny alalan’ny hira fahiny fa aoka samy hitandro sy hampita izany amin’ny taranaka amam-para.

Ny zokiolona no tena mpankafy
Ny sokajin’ny ray aman-dreny efa niaina sy nihaino ny kalon’ny fahiny no tena mankafy amin’izao fotoana, raha ny fanadihadiana natao. Eo ihany koa ny tanora sy ny zaza, nobeazin’ny ray aman-dreniny tao anatin’izany. Ma­hatsapa izy ireo fa misy zavatra azo tovozina sy entina miatrika ny fiainana ny tononkira sy ny hafatra ao anatin’ny hira fahiny. “Afaka ny ho tia sy ho mpankafy ny hira fahiny avokoa ny rehetra fa mila hampahafantarina azy ireo hoe ity ny tena tsara”, hoy hatrany Ra­solondraibe Jeannot.

????????????????????????????????????

Tsy ho lefy laza ny hira fahiny na amin’ny 2050 aza

Mateza sy mijoro ary tsy mbola ho lefy laza ny fankafi­zan’ny olona ny kalon’ny fahiny sy ny hiran’ny omaly. Anisan’ny fitaovana ahitana sy mbola mampiseho izany ny tambajotra sosialy sy ny tranonkala isan-karazany. Mbola maro ny olona mikaroka sy mihaino izany eny anivon’ny fitaovan-tserasera. “Tsy ho lefy laza mihitsy ireny hira ireny na amin’ny taona 2050 aza fa mbola karohin’ny olona foana”, hoy Ranaivoson Lucien, avy ao amin’ny feon’Imerina. “Na dia izany aza, tsy tokony havela ho tototry ny kolontsaina vazaha mihitsy ny kolontsaina malagasy. Indrindra ny kolontsaina entin’ny hira fahiny”, hoy hatrany ireo mpanakanto mamelona ny hira fahiny. Mivoatra avokoa ny zavamaneno, ny fitaovana, ny fomba fanoratana ary ny fomba famoronan-kira amin’izao fotoana izao. Tsy azo atao ny manome tsiny azy ireny. Ny azo ambara, ny hira taloha dia mateza sy tsy lefy laza. Mila miezaka anefa ny mpanakanto vao misandratra ankehitriny. Indrindra eo amin’ny fahafantarana ny sanganasa nisy teo amin’ny hira fahiny. Tafiditra ao amin’izany, ny gadona, ny fomba fihira ary ny fomba fitendry. Hakana aingam-panahy, entina manoron-kira izany. Maro anefa ny hira ankehitriny, tsy mena-mitaha amin’ny hira fahiny.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: