Namoaka fanambarana ny minisitra teo aloha sady mpanorina ny antoko Freedom, i Lalatiana Rakotondrazafy. Nankasitrahany ny filohan’ny Repoblika tamin’ny nanendrena indray ny Praiminisitra Christian Ntsay. Nambarany fa efa niara-niasa tamin’ny lehiben’ny governemanta ny tenany ary mahalala fa voafehiny ny fitantanan-draharaham-panjakana.
Nanteriny fa miandrandra zavatra lehibe ny vahoaka ary mila ovaina koa ny tsy nety taloha. “Mila hentitra kokoa. Aoka izay ny gaboraraka amin’ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fitsipi-pifehezana ary ny fahalalahana be fahatany”, hoy izy. Nohitsiny fa mamotika firenena sy ny taranaka izany. Mila fitaizana maha olom-pirenena vanona bebe kokoa ny vahoaka ho tia fanajana lalàna sy fitsipi-pifehezana, araka ny nambarany.
Tsy hisy indrafo…
Anisan’ny notsindriny fa mila hentitra sy sahy koa amin’ireo manao kolikoly sy mandika lalàna. “Aza asiana indrafo, na namana izy na mpitondra na mpanohitra na iza na iza. Tsy tokony hisy tombo sy hala fa rehefa vandana dia kary”, hoy ihany izy. Nankasitrahany ny fahasahian’ny filoha manoloana ireo raharaha amin’izao fotoana izao.
Anisan’izany ny halatra tany eny Isahafa Avaradrano. Ny fanotofana tany tsy ara-dalàna, ny fanadiovana vary lo tany Mahajanga… “Mbola maro ireo raharaha hitsikafona raha ny fahavononan’ny filoha sy ny praiminisitra”, hoy izy.
Synèse R.