Tarika Baobab : mitohy any Italia ny « Tour Europe »

Taona niavaka ! nahavita seho maro ny tarika Baobab nandritra ny 2023. Ankoatra ny fanafanana lanonana samihafa teto an-tanindrazana, maromaro ny hetsika tany ivelany. Niditra tamin’ny «Tour Europe» andiany faharoa ny tarika ny volana desambra lasa teo. Tontosa soa aman-tsara ny lanonana faran’ny taona tao Marseille. Tsy sakana ny tsy fahasalamana nahazo an’i Harimanitra, vehivavy mpihira anatin’ny tarika. Toraka izany, ny fitsenanana ny taom-baovao tao Montpellier, ny 1 janoary..
Vaovao lehibe manaraka: fifampiarahabana noho ny taom-baovao 2024, hataon’ireo Malagasy monina ao Roma Italia. Hotontosaina ny 17 febroary, izay hafanain’ny tarika Baobab, tarihin’i Haingo Rabeson. Hamerenana indray ny hira malagasy taloha tsy tontan’ny ela, tsy dia be mpanao intsony kanefa nomen’ny tarika aina vao indray.
Mialoha ny any Roma Italia, mbola hisy ny seho iarahan’ny tarika Baobab amin’ny FPMA Orléand, ny 3 febroary. Ankoatra ireo ny fety manokana, maromaro amin’izao taom-baovao izao.

Zo ny Aina

Partager sur: