Mandeha tsara ny orinasa manodina voatabia, any Ambalabako Ambatondrazaka. Anisan’ny vokatra voalohany ahodiny ny voatabia voatoto «ketchup». Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Distrika iray, Ozinina iray (Odof), napetraky ny fanjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria ity hetsika ity.
Nahazo fitaovam-pitiliana «radar» mahakasika ny toetr’andro i Madagasikara. Anisan’ny vokatra miabo azontsika izany, taorian’ny fandraisana anjara nandritra ny fivoriambe iraisam-pirenena an-tampony, natao tany Dubaï, ny 30 novambra hatramin’ny 13 desambra teo. Fitaovana avo lenta hamantarana mialoha ny toetr’andro io «radar» io.
Nampianarina ny fanamboarana savony ny mpikambana ao anatin’ny VOI Mikamba, any amin’ny fokontany sady kaominina Manombo, faritra Atsimo Andrefana. Miisa 20 ny savony vitan’izy ireo avy hatrany nandritra ny fampiharana, ny 27 desambra 2023 teo. Nampianatra azy ireo nanamboatra savony ry Masera any Manombo.
Efa misokatra ny famandrihana zana-kazo any amin’ny faritra Atsinanana. Ao amin’ny biraon’ny fitantanam-paritry ny tontolo iainana, Dredd Atsinanana, any Toamasina no hisoratana ny anarana. Marihina fa zaraina maimaimpoana ny zana-kazo vokarin’izy ireo, fa misy kosa ny fepetra tsy maintsy arahina.