Nanao fanentanana, omaly, ny talem-paritry ny Fahasalamana ao Boeny, Hoasy Solange, sy ny governoran’ny faritra, Mokhtar Salim, mahakasika ny fihanaky ny areti-maso ao Mahajanga.
Nentanina, araka izany, ny ray aman-drenin’ny mpianatra mba tsy handefa ny zanany any an-tsekoly raha tsy efa tena sitrana mba tsy hamindra amin’ny ankizy hafa. Toraka izany ireo mpiasa, hijanona avy hatrany mandra-pahasitrana tanteraka. Natao izany hanapahana ny rojom-pifandraisana tsy hiparitahan’ny aretina.
Maimaimpoana ny fitsaboana ireo olona tratran’ity areti-maso ity. Efa misy fanafody mahomby amin’izany eny amin’ny CSBII ka tsy tokony hisalasala manatona ny tobim-pahasalamana. Raha vao misy ny trangan’aretina dia mila manatona ny tobim-pahasalamana fa tsy miandry fivontosana na fahasarotana. 5 andro dia efa mahita fahatsarana raha ny toky omen’ny DRS.
Mila manasa tanana matetika amin’ny rano sy savony. Hajaina ny elanelana mba tsy hisy fifampikasohana ary ezahina ny tsy mikitikitika ny maso sy ny faritry ny tarehy mihitsy. Haingam-pifindra io areti-maso io ka izany no hampitsaharana avy hatrany ny mpianatra sy ny mpiasa misy soritr’aretina.
Mangirifiry ny maso, misy mamasipasika foana, misy taimaso, mivoara-mena, mivonto, mirotsaka foana ny ranomaso…Miteraka aretin’andoha raha taraiky ny fitsaboana
Tatiana A