“Ny olompirenena no mila mahalala sy manao ny andraikiny, fa tsy ny Ceni hatrany no omen-tsiny”, hoy ny mpanolotsain’ny Ceni, Ravalitera Jacques Michaël, momba ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (Rale). Andraikitry ny fiarahamonina sivily sy ny antoko politika koa ny mampahafantatra izany amin’ny olompirenena. Tokony hiarahana ny fanabeazana olompirenena. Mety hitarika tsy fampandrosoana ny tsy fandraisana andraikitra. Anisan’ ny dingana lehibe amin’izay fandraisana andraikitra izay ny fisoratana anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana hiatrehana ny fifidianana ho avy.
Amin’ny 15 mey no hifarana tanteraka ny Rale, ary hatramin’ny 15 febroary ny fandraisana anarana. Hatramin’ny faran’ny febroary ny fandraketana amin’ny ordinatera. Amin’ny marsa, midina eny amin’ny fokontany ny lisitra hanamarinan’ny mpifidy ny momba azy. Amin’izany, esorina ny anaran’izay nifindra monina, izay nodimandry… Anjaran’ny fokontany no misahana izany. Tsy afa-manala anarana avy hatrany ny Ceni, raha tsy misy fanamarinan’ny fokontany. Mila fandraisana andraikitra izay, fa miankina amin’izay ny fahamarinan’ny lisi-pifidianana: hisorohana ny anarana miverina. Raha misy fitoviana ny mombamomba ny mpifidy, ohatra, nefa adiresy samihafa: izay nanaovana fisoratana anarana farany no raisin’ny Ceni fa olona iray ihany izany. Vokatry ny tsy fandraisana andraikitry ny olompirenena izay.
R. Nd.