Niara-namoy ny ainy ny olona telo avy ao amin’ny ankohonana iray, ao amin’ny fokontany Soatoavina, kominina Manandroy, distrikan’Ambohimahasoa, omaly. Hamonjy fahoriana midona amin’ny fianakaviana no nivoahan’izy enina mianaka ny trano. Somary maloka ny andro noho ny vaninandro fahavaratra.Tampotampoka teo, nirefotra ny varatra. Niara-lasibatra izy enina mianaka. Tsy nialana nenina akory, maty teo no ho eo ny iray. Nentina namonjy toeram-pitsaboana kosa ny roa. Tsy tana anefa ny ain’ireto farany noho ny fahavoazana. Tsy nahina kosa ny fahasalaman’ireo telo hafa. Zazakely 2 taona ny iray tamin’ireo namoy ny ainy. Niroso tamin’ny fitsaboana ireo telo voakasik’io varatra io ny mpitsabo eo anivon’ny hopitaly Be Ambohimahasoa. Tsiahivina, niseholany tato ho ato ny tranga fahafatesana nateraky ny filatsaham-baratra, toy ny niseho tao Anjozorobe sy tany Amparafaravola.
Tsiferana R.