Mety hisy faritr’andro ratsy hiforona ao amin’ny ranomasimbe Indiana amin’ny faran’ny herinandro. Hitoetra hatrany ny oram-pahavaratra noho ny tsy fahamarinan-toeran’ny atmosfera saika manerana ny Nosy. Tombanana hihamaina kosa izany manomboka ny alakamisy izao mankany amin’ny faran’ny herinandro.
Nihaona nandritra ny fananganan-tsaina voalohany amin’ity taona ity ny fianakaviamben’ny mpiasan’ny minisiteran’ny Asa, omaly. Niompana tamin’ny fampitoviana tadin-dokanga amin’ny vina lehibe 3 napetraky ny Filoham-pirenena amin’izao fe-potoam-piasana vao miandoha izao ny lahadiniky ny fivorian’ny atidoham-pitantan-draharaha.
Nandritra ny taona 2023 dia tobim-pahasalamana 29 miparitaka amina kaominina 21 sy distrika 3, any amin’ny faritra Menabe, no nisitraka rano fisotro madio sy toeram-pidiovana ary fanadiovana. Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny USAID ACCESS no nahafahana nanao izany.
Nizara sakafo milanja 20 taonina ho an’ireo mponina traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro, tany amin’ny faritra Fitovinany ny BNGRC. Nisitraka vary milanja 12,5kg sy voamaina 3 kg avy ny isan-tokantrano. Teo koa ny menaka sy ny kojakoja ilaina andavanandro.