Efa notaterina teto fa nanomboka niatrika ny fampivondronana mikaton-trano, eny amin’ny Cnaps Vontovorona, ny Malagasy mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena, hifaninana amin’ny Pré-qualification-“ Afrobasket 2025″. Fifaninanana hotanterahina eto Madagasikara, ny 16 hatramin’ny 19 janoary ho avy izao, eny amin’ny Lapan ‘ny fanatanjahantena Mahamasina. Mpilalao miisa 12 mirahalahy izy ireo no mivondrona eny, raha toa ka ny 13 janoary no hoavy eto an-toerana i Lahontan Rija, mpilalao mila ravinahitra any Frantsa. Ny 14 janoary kosa no higadona eto an-tanindrazana Razanamahenina Kiady, mpilalao mila ravinahitra any Frantsa ihanuy koa. Ankoatra azy roa lahy, efa namaly antso Raharimanana Sitraka, rehefa nantsoina noho ny tsy fahafahan’i Mathias M’Madi, ka hanatevin-daharana ny ekipa malagasy. Tsiahivina, firenena 3 ihany hatramin’izao no hifaninanana eto Madagasikara, avy aty amin’ny faritra fahafito, raha toa firenena 5 no fantatra tany am-boalohany fa tao anaty lisitra. Nisy fiovana, manaraka izany ihany koa, ny daty ofisialy, raha tokony hanomboka ny 15 janoary dia nahemotra ny 16 janoary, araka ny fanazavan’ny teo anivon’ny federasiona malagasin’ny basikety. Momba ny fampivondronana kosa, mandritra ny herinandro no miara-mikotrana eny Vontovorona ireo Malagasy mpilalao ary efa misy ny fandaharam-potoana arahin’izy ireo amin’izany. Nambaran’ny mpanazatra fa hampiseho fahavononana tanteraka i Madagasikara amin’ity fifaninanana hatao eto an-toerana ity ary hiezaka ny hitana ny laharana voalohany ahafahana manohy ny fifaninanana amin’ny dingana manaraka.
Mi.Raz