SOMBIM-BAOVAO

Notontosaina ny 5 janoary lasa teo, tao amin’ny Kianjan’ny Velodrome Antsirabe, ny fanampim-piofanana ho an’ny mpanazatra, andiany faharoa nokarakarain’ny filohan’ny ligin’ny Vakinankaratra. Ny volana novambra lasa teo no nanaovana ny andiany voalohany tamin’ity hetsika ity.

Hitohy ny 13 sy 14 janoary izao ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga, taranja Volley-ball, rehefa niato nandritra ny 2 herinandro. Fifaninanana eo amin’ny sokajy “Jeunes” sy “Seniors”, ka lalao 12 avy hatrany no hitranga amin’io 2 andro io. Misy amin’ireo lalao ireo efa nahemotra.

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fiofanana ara-pitantanana eo amin’ny taranja Kung fu, izay natao teny amin’ny Aska Ampefiloha. Nisy fanatsarana maro natao, araka ny tatitra nataon’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny Kung fu, Grand Maître Rako­toarijaona Avoko, omaly.

Manomboka mametra-panontaniana amin’ilay Frantsay mpilalao baolina kitra, Kylian Mbappé, ny mpakafy baolina kitra maneran-tany ankehitriny. Nanome tolotra ho azy mantsy ny Real de Madrid, Espagne, amin’izao fotoanan’ny « Mercato » izao. Tsiahivina fa mpilalaon’ny Paris Saint Germain, France, ny tenany .

Partager sur: