Tsy mirary loza ! Notohizan’izy ireo indray nanomboka omaly, ny fitokonana nataon’ny mpiasan’ny mpamonjy voina eo anivon’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina.
Hihamafy hatrany izany raha tsy mivaly ny fitakian’izy ireo. Ho an’ny hetsika fitokonana omaly, ireo kamiaobe fampiasa amin’ny vonjy voina raha misy haintrano no nabahan’izy ireo ny vavahady. «Tandindomin-doza noho ny tsy fahafehezana ny andraikitry ny tsirairay i Toamasina», hoy ny fanehoan-kevitr’ireo olona maro nahita ny fitokonana. Anton’izao fitokonana izao ny fitakiana ny handoavana ny tambin-karama efa ho 15 volana tsy azon’izy ireo. Eo koa ny hampidirana izany anatin’ny vatankarama. Manome 72 ora ny tomponandraikitra eo anivon’ny kaominina, araka izany, ny vondron’ ny mpamonjy voina hamalina izany.
Tsy eken’ny fitantanambolam-panjakana…
«Tsy ny kaominina no nampisaraka ny prime sy ny salissure anatin’ny vatankaraman’ny mpiasa izay tokony hisitraka izany fa miankina amin’ny fitantanambolam-panjakana. Nanala izany rahateo anatin’ny karama ny teo anivon’ny fitantanambolam-panjakana », hoy ny ben’ ny Tanànan’i Toamasina, Rakotonirina Nantenaina Herilala. Nambarany fa niezaka ny teo anivon’ny kaominina nikirakira ny antontan-taratasy mba hivoahan’ny vola mialoha ny faran’ny taona teo, saingy nisy roa tamin’ireo mpiasa eo anivon’ny vondrona mpamonjy voina tsy nahafeno ny fepetra.
Naverin’ny fitantanambolam-panjakana ny antontan-taratasy rehetra. Efa hatramin’ny taona 2020, nisy naoty nanesoran’ny fitantanambolam-panjakana ny prime sy salissure tsy hikambana ao anatin’ny karama intsony, raha ny fanazavany. Nohamafisin’ny ben’ny Tanàna fa heloka ny tsy fanaovana ny asa vonjy voina raha toa ka misy izany ka azo enjehina anoloan’ny lalàna ireo mpiasan’ny mpamonjy voina nanda hanatanteraka ny asany, hamonjena ny mpiara-belona.
Sajo/J.C