TENISY – « ITF/CAT »: hiady laharana ny ekipa malagasy

Notanterahina nanomboka ny sabotsy lasa teo, tany Windhoek Namibie, ny fifaninanana “ITF/CAT Southern African Championships 2024”, taranja tenisy, sokajy junior, lehilahy sy vehivavy. Lalao hiadiana ny laharana sisa no ataon’i Madagasikara amin’izany raha ny vokatra azo nomen’ny federasiona malagasin’ny tenisy (FMT), ny alahady lasa teo.
Raha ho an’ny sokajy vehivavy U14, nihintsana tany amin’ny fihodinana voalohany, Randrianasolo Mateï, raha toa ka lavo tany amin’ny fihodinana faharoa Andriamaniraka Ainatia sy Raharinjanahary Chrystella. Raha ho an’ny lehilahy U14 indray, nijanona teo amin’ny dingana faharoa ny dian-dRazafindrazaka Ny Avo. Niondrika tany amin’ny lalao voalohany Andrianatoandro Tsilavina, tamin’ny sokajy U16 lehilahy. Lavo teo amin’ny faharoa kosa ry Raoily Mahery sy Napoke Jesse.
Marihina fa aorian’ity lalaon’ny tsirairay ity, hiditra amin’ny lalaon’ekipa i Madagasikara. Tsara ny mampahafantatra fa hifarana ny 14 janoary ho avy izao ny fifanintsanana.

Fitia Randria

Partager sur: