Nitohy omaly, teny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, ny fampiofanana ireo mpanabe ny Kanto, ao anatin’ ny Tetikasa “Kanto Manabe” (TKM). Manam-pahaizana eo amin’ny sehatry ny haikanto, indrindra ny fanaovana sary no nampita ny fahalalany tamin’ireo mpiofana, nandritra izany. Anisan’ izany Raharvel Katty sy Vania. Ny fototra amin’ny fanaovana sary maro samihafa no ampianarina ireo mpiofana ao anatin’izany. Tanjona ny hanitatra sy hampiroborobo ny tontolon’ny fanaovana sary. Hidina eny ifotony, hampianatra ny fanaovana sary amin’ny ankizy eny anivon’ny fokontany sy sekoly maro ireto mpiofana ireto, aorian’ny fampiofanana azy ireo.
Teknika sy paikady ary fototra fanaovana sary no omena ny mpiofana mandritra izany. Efa novelabelarina tamin’izy ireo tamin’izany ny lalan-kevitry ny fanabeazana fonosin’izao tetikasa izao. Niditra lalindalina kokoa mahakasika ny vontoatin’ny fampiofanana ny tomponandraikitra taorian’izay. Nampiofanina azy ireo tamin’izany ny fanaovana “Dégradation” amin’ny alalan’ny pensilihazo, karazany HB sy 2B. Teo ihany koa ny fampianarana ny fanaovana “Hachure”. Ireto farany izay fomba fanaingoana sary.
Miara-miasa amin’ny Fitaleavana misahana ny haikanto sy ny kolontsaina ary ny fiainana amam-bondrona, eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny tetikasa. Eo amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely no foiben’ ny hetsika ary hiitatra amin’ ireo tranomboky eny amin’ny fokontany aorian’izay.
Lin