Fantatra avokoa ireo ekipa efatra hiatrika ny manasa-dalan’ny” Telma Coupe de Madagascar”. Nafana tanteraka ny lalao ampahefa-dalana.
Nifarana ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus By pass, ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, «Telma Coupe de Madagascar 2023». Ny ekipan’ny As Fanalamanga avy any Atsinanana sy ny CFFA Andoharanofotsy ary ny Disciples FC Vakinankaratra sy ny Elgeco Plus Analamanga no tafita amin’ny dingana manaraka.
Tsara marihina fa nahintsan’ny As Fanalamanga tamin’ ny isa 6 no ho 1 ny Asa Diana. Lavon’ny CFFA tany amin’ ny fandakana «tir au but» 3 no ho 1 ny Fosa Junior Boeny. Nisaraka ady sahala 0 no ho 0 ny roa tonta, nandritra ny fe-potoana ara-dalàna (90 min). Tsy niova ny isa nandritra ny fanalavam-potoana. Resin’ny Disciples FC, 1 no ho 0, ny Ajesaia Bongolava. Niondrika teo anatrehan’ny Elgeco Plus, 1 no ho 0, ny Mama FC Fianarantsoa.
Azo lazaina fa afa-bela tamin’ny Fosa Junior Boeny ny ekipan’Andoharanofotsy. Tsiahivina fa efa resin’ny Fosa Junior tamin’ny isa 3 no ho 1 ny CFFA, nadritra ny lalao fihatsiana izay natao ny taona 2022, teo amin’ny kianjan’ny Elgeco.
Tsy afa-bela
Tsy mbola afa-bela tamin’ny ekipan-dry Mamisoa, Malagasy mpanazatra, Disciples FC, ny Ajesaia. Tsara ny mampahatsiahy fa lavon’ny mpilalaon’i Vakinankaratra tamin’ny isa mavesatra, 5 no ho 2, ny ekipan’i Bongolava, nandritra ny manasa-dalan’ny fifaninanana «Grand Tournoi d’Antananarivo (GTA)».
Raha tsy misy ny fiovana, hotontosaina ny alarobia 24 janoary ho avy izao ny manasa-dalan’ny “Telma Coupe”. Hatao ny alahady 28 janoary ny lalao famaranana. Raha ny vaovao voaray, ny ekipan’ny As Fanalamanga no hifanandrina amin’ny CFFA. Hifandona kosa ny Disciples FC sy ny Elgeco Plus.
Izay mandrombaka ny amboara amin’ity fifaninana ity no hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, «Coupe de la Caf».
Ireo voka-dalao rehetra tamin’ny ampahefa-dalana 3
As Fanalamanga (6) – (1) Asa Diana
Fosa Junior (0) 1 – 3 (0) CFFA
Disciples FC (1) – (0) Ajesaia
Mama FC (0) – (1) Elgeco Plus




