Valan-javaboahary Tsimbazaza : efa nivoaka ny volam-panjakana hanaovana ny fanarenana

Ho tsara karakara ireo biby ompiana ao amin’ny valan-javaboahary Tsimbazaza manomboka izao. Efa azo ampiasaina ny vola ho amin’izany.

Tsy niandry ela fa avy hatrany! Natao izay ni­voahan’ny vola ho fikarakarana haingana ny valan-javaboahary Tsimbazaza. Tanjona ny famonjena ny ain’ ireo karazam-biby izay efa nijaly fatratra. Efa azo ampiasaina, araka izany, ny vola ary ho hentitra ny fanaraha-maso ny fitantanana. Hangarahara tanteraka, ho voaara-maso amin’ny antsipirihany ny fampiasana ny vola. Tanjona ny hisian’ny fahombiazana sy tena hipaka tsara any amin’ny tokony ho izy ny fampiasam-bola.

Nilaza ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa toy ny sampanasam-panjakana rehetra ny valan-javaboahary Tsimbazaza. Tsy maintsy ampidirina anaty kitapombolam-panjakana ny vola miditra rehetra, toy vidim-pidirana amin’ny fitsidihana…. Mana­raka ny toromarika amin’ny famoaham-bolam-panjakana ihany koa ny fampiasana izany.

Marihina fa taorian’ny fitsidihana voalohany nataon’ny minisitra, ny Dr Razafiharison Andriamanantena, tao Tsim­ba­zaza no nanomezany toromarika ny tomponandraikitra isan-tsokajiny. Tsy maintsy handrindrana araka ny tokony ho izy ny fikarakarana ny biby rehetra ao amin’ny valan-javaboahary. Ho vaindohan-draharaha ny lafiny sakafom-biby. Manantena ny hahita fivoa­rana amin’ireo biby sarobidy ao an-toerana, araka izany, ny mpitsidika manomboka izao. Tsiahivina fa ireo karazam-biby tsy hita afa-tsy eto Mada­gasikara ary harena ara-boajanahary no ompiana ao.
Mila fikarakarana tante­raka izy ireo na ara-pahasa­lamana na ny toerana honenany, ny fahadiovan’ny tontolo ivoarany, indrindra ny sakafony. Izany indrindra no anaovan’ny fanjakana ezaka ankehitriny mba tsy hisian’ny fijalian’ireo zavamananaina ao intsony.

Tatiana A

Partager sur: