Fitateram-bahoaka: asa fanasoavam-bahoaka fa tsy mahavelona intsony

Anisan’ny be mpisehatra indrindra eto Madagasikara ny asa fitateram-bahoaka, raha ny zava-misy. Ankoa­tra ny olon-tsotra, efa nisy ihany koa ny mpanao politika nikasa hanao izany teto amin’ny Nosy. Maro amin’ ireo mpitatitra no matiantoka amin’ ny fanaovana ny asa, raha ny fanadihadiana natao.

Anisan’ny mampimenomenona ny mpanjifa ny ha­natsarana ny kalita­on’ny fitateram-bahoaka eto amin’ny Nosy, raha ny fanadihadiana natao. Tsy mifanaraka ary tsy sahaza ny vola alohan’ny mpanjifa ny kalitaon’ny fiara sy ny asam-pitaterana takin’izy ireo. Mitaky ny hanenana ny isan’ny seza ny mpanjifa… Miteraka fatiantoka goavana eo amin’ny mpitatitra anefa izany, raha ny fanazavana voaray. 27 ny mpandeha entin’ny fiara iray nefa efa matiantoka ny mpitatitra.
“Asa fanasoavam-bahoaka ny fitateram-bahoaka fa tsy mahavelona toy ny asan’ny mpandraharaha intsony”, hoy ny filoha lefitry ny UCTU sady filohan’ny kaoperativa Fitse­ma, Rakotonirina Jean Louis Emile, raha nanontaniana. Ma­ro ny antony mahatonga iza­ny, araka ny fanazavany. “Olana ho an’ny mpandraharaha misehatra amin’io asa io ny saran-dalana misy ankehitriny”. Nilaza izy fa tsy afaka migalabona amin’ny maha mpandraharaha azy izy ireo satria tsy afaka mandidy sy ma­napaka amin’ny saran-da­lana tokony hatao. “Tsy afaka mitady tombony toy ny mpivarotra sy ny mpisehatra eo amin’ny fandraharahana rehetra izahay”, hoy hatrany izy.
“Tsy afa-manoatra fa miaina ny zava-misy na mahatsapa aza fa matiantoka amin’ny sehatry ny fitaterana izahay”, raha ny nambarany. Antony iray tsy mampivoatra ny sehatry ny fitaterana eto Anta­na­na­rivo izany. Mijanona fotoana maharitra amin’ny saran-dalana raikitra ny fiara. Rehefa amin’ny fotoanan’ny fiakaran’ ny vidin’ny solika vao misy ny fivoarana kely, raha ny zava-misy. 5 900 Ar ny vidin’ny iray litatra amin’ny lasantsy, raha toa ka 4 900 Ar kosa ny gasoil. Nohamafisiny hatrany fa tsy azo atao ny miala sy miato amin’ny asa fandraharahana, indrindra eo amin’ny fitaterana raha tojo fahasahiranana. Tsy mitsaha-mitady hevitra hanatsarana ny fidiram-bola toy ny mpandraharaha rehetra izy ireo. Tokony ho 2000 Ar ma­hery ny saran-dalana eto An­tananarivo raha ny tokony ho izy. Nivoitra io nandritra ny di­ni­ka nifanaovan’ny UCTU ta­min’ny orinasa lehibe iray tany Frantsa tonga teto Mada­ga­si­kara tamin’ny dimy taona lasa.

Mampihena ny fandaniana
Mivarotra fatiantoka ny ankamaroan’ny mpitatitra fa miaina ny zava-misy izy ireo, amin’ny ankapobeny. Tafidi­tra amin’izany ny fampihenana ny fandaniana ataon’ireo mpitatitra. Raha misy ny kojakoja tokony hovidina any amin’ ny “concessionaire”, lasa mividy any amin’ny karana izy ireo. Misy ireo mpandraharaha sy tompona fiara tsy mahatakatra izany ka lasa mividy eny amin’ny kojakojana entana tonta. Fomba atao avokoa izany mba hanenana ny fandaniana. Efa mahatratra 600 000 Ar mahery ny vidin’ny kodiarana fiara “sprinter” iray eny anivon’ny “concessionaire”. 200 000 Ar kosa izany raha eny amin’ny karana. Tsy mitovy ny fahatezan’ireo, arakaraka ny kalitaony sy ny vidin’ ny entana, hoy ny fanazavan’ ny mpitatitra iray. Maharitra amam-bolana maro eo ny kodiarana iray raha tsara kalitao.
Misy vokany ratsy amin’ ny sehatry ny fitateram-bahoaka ny fanenana ny fandaniana ataon’ny mpitatitra. Indrindra ny fiarovana ny ain’ ny mpanjifa.

Nahafahana nitondra fanatsarana

Samy manana ny fomba fitondrany rehefa miova ny mpitondra. “Nahafahan’ny UCTU nitondra fanatsarana betsaka teo amin’ny fitaterana ity fitondrana ity”, hoy hatrany ny filoha lefitry ny UCTU sady filohan’ny kaoperativa Fitsema, Rakotonirina Jean Louis Emile. Ohatra ny fanatsarana ny fahazoan-dalana. Nahitana karazana fahazoan-dalana valo, gaboraraka be, teo aloha, raha ny fanazavany hatrany. Niezaka nifanome hevitra tamin’ny kaominina izy ireo ka tonga amin’ny fanaovana fahazoan-dalana “biometrique”. Teo ihany koa ny fanatsarana ny endrika ivelan’ny fiaram-pitaterana rehetra eto Antananarivo Renivohitra. Tsapa efa niharatsy avokoa ny karazam-pitaterana nisy teto an-toerana, raha ny zava-nisy talohan’ny valanaretina Covi-19. Taorian’izay, efa nanomboka nihatsara avokoa ireo fiara ireo. Noho ny fiaraha-miasa tamin’ny mpitondra sy ny kaoperativa, ny UCTU ary ny tompon’ny fiara ka nahafahana nanatsara izany. Naverina ihany koa ny fitsirihana ara-teknika sy ny saram-piantsonana. Tafiditra indrindra amin’ny fanatsarana ny tanàna eto amin’ny CUA izany, raha ny fanazavana voaray hatrany. Ankoatra izay, efa nisy ny eritreritra ny hamerina ny fahafahana mitondra fiara(capacité), taratasy taloha nahafahana nitondra taxi-be sy taxi izy io. Nilaza ny teo anivon’ny UCTU fa anisan’ny tena ilaina eo amin’ny fitaterana ny fananana io taratatasy io satria mampiseho ny fahavononana hanao ny asam-pitaterana. Omena amin’ny alalan’ny fanaovana fanadinana izany.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: