Tsipy kanetibe: miandry ny fanalana sazy ny Malagasy

Araka ny fikaroham-baovao natao, mangataka ny fandaharanasa ao anatin’ny dimy taona avy amin’ny federasiona malagasin’ny tsipy kanetibe (FSBM), tarihin’Andrianirina Adrien, ny filohan’ny federasiona iraisam-pirenena. Raha ny fantatra, efa manaiky ny fitsanganan’ny komity mpitantana vonjimaika amin’ity taranja ity, i Claude Azema.
Raha io zava-misy io, efa ho afaka ny sazy mahazo an’i Madagasikara. Efa nanambara rahateo ny filohan’ny FSBM, nandritra ny fivoriambe natao, ny volana janoary lasa teo, fa hisy ny fivoahana matetika ho an’ny Malagasy mpilalao tsipy kanetibe, amin’ity taom-pilalaovana 2024 ity. Ao anatin’ny fanamboarana ireo ekipa teknika sy ny komity mpitantana rahateo ny filohan’ny FSBM vonjimaika, i Adrien Andrianirina.
Raha ny angom-baovao voaray, hanomboka amin’ny volana marsa ny taom-pilalaovana ho an’ny taranja tsipy kanetibe. Averina ao anatin’ny fandaharam-potoana ny fifaninanana hahazoana isa, ho an’ireo mpilalao tsirairay avy. Mba hampakarana ny lentan’ny mpilalao sy ny fihaonana, ny anton’izany.

Tompondaka

Partager sur: