“Grand Slam de Paris” : Malagasy judokas 3 hifaninana

Hanomboka rahampitso 3 febroary, ao Paris, ny fifaninanana “Grand Slam de Paris”, taranja judo. Malagasy mpikatroka 3 mianadahy no solontenan’i Madagasikara amin’ity fifaninanana maneran-tany ity. Fifaninanana goavana satria hihaonan’ireo judokas tompondaka maneran-tany sy manerana an’i Eoropa. Ani­san’ny hiatrika izany i Chris­tiane Vital, Malagasy mpikatroka mila ravinahitra ao Frantsa. Efa mpandray anjara amin’ny fifaninana iraisam-pirenena ao Frantsa matetika i Christiane, eo amin’ny sokajy latsaky ny 52 kg, vehivavy. Toraka izany i Chan Ling Janeiro, sokajy latsaky ny 66 kg, lehilahy. Raha ny efa fantatra ihany koa, Rasoanaivo Razafy Laura, latsaky ny 70 kg vehivavy no solontena ma­la­gasy fahatelo hiatrika ity “Grand Slam de Paris” ha­nomboka rahampitso ity. Araka ny loharanom-baovao, mbola hisy fifaninanana hafa ihany koa ao Paris, hatrehin’i Laura sy i Chan Ling, ny 10 hatramin’ny 12 febroary izao. “Tournament of Champions” na ny ITC io fifaninanana io, hivondronan’ireo judokas ka­laza indrindra maneran-tany. Hahafahan’ireto malagasy judokas ireto mandrefy ny lentany sy hampitombo ny isany amin’ny fiatrehany ny lalao olympika, araka izany, io fifaninanana io. Manodidina ny 400 eo ny judokas hifaninana amin’ity ITC ity ary firenena maherin’ny 60 no handray anjara.

Mi.Raz

Partager sur: