Vohitra nipoiran-dRadama voalohany Ambohidratrimo, ankoatra ny maha anisan’ny ao anatin’ny vohitra roa amby folo azy. Efa anisan’ny tao anatin’ny Imerina efa-toko ihany koa izy talohan’
izany rehetra izany.
Vohitra iray tao anatin’ny Imerina efa-toko tamin’
izany andro izany, ny vohitr’Ambohidratrimo Marovatana. Ny mpanjaka Ratrimo sy Ramorabe ary Rambolamasoandro no nanjaka teny, tamin’ny taonjato faha-16 sy faha-17. Amin’ny maha vohitra nanjakan-dRatrimo azy no nanomezana azy ny anarana hoe Ambohidratrimo. Andrianampoinimerina kosa no nanome ny anarana ny tanàna ho Marovatana, taty aoriana. Ratrimo izay nanjaka voalohany teny amin’iny vohitra iny. Zafikelin’Andriamasinavalona, zanak’Andriantompoinimerina voalohany izy.
Rehefa nanao ny Imerina efa-toko Andriamasinavalona, napetrany tamin’ireo vohitra efatra, Ambohimanga, Ambohidrabiby, Manjakamiadana ary Ambohidratrimo, mamaritra ny Imerina efa-toko ny zanany efatra. Ny vohitr’ Ambohidratrimo no anjaran’ Andriantompoinimerina voalohany, tamin’izany. Nangataka ny fahefana rehetra tamin’ Andriamasinavalona Andriantompoinimerina Voalohany, nefa tsy nahazo. Nataony an-keriny teny amin’io vohitra misy azy io ny rainy taty aoriana ka notazoniny fito taona. Gaga ireo rahalahiny, nitoetra teny Ambohidrabiby sy Ambohimanga ary Manjakamiadana, noho ny tsy fahitàna ny rainy. Nanomana tetika hamoahana azy izy ireo rehefa fantany fa voatazona eny Ambohidratrimo Andriamasinavalona rainy. Ratrimo, izay zanak’Andriantompoinimerina voalohany no namoaka an’Andriamasinavalona antsokosoko ka nahafaka azy teo ambany gadran’ Andriantompoinimerina voalohany. Vokatr’izany, tsy azon’ Andriantompoinimerina voalohany ny fahefana, ary Ratrimo zanany no nomena hanjaka tamin’ny vohitra ka nahatonga ny anarana hoe Ambohidratrimo.
Vady faha-12
Nandimby an-dRatrimo, tany amin’ny taon-jato faha-17 tany ho any, Ramorabe. Ny fanjakan-dRamorabe izay nahavita nanohitra tanteraka ny fanafihana nataon’Andrianampoinimerina. Tsy nilefitra ireo miaramilan’i Marovatana fa nanohitra hatrany nandrira ny fanafihana. Taty aoriana, nangataka tsodrano ny haka vady an-dRambolamasoandro Andrianampoinimerina. Rambolamasoandro izay zafikelin-dRamorabe, zanaky Ramanana Andrianjaka. Izy no vadin’Andrianampoinimerina faha-12, sady renin-dRadama voalohany.
Voasokajy ho anisan’ny toerana manana tantara, araka izany, ny vohitr’Ambohidratrimo Marovatana. Ankehitriny, mbola tazana eny Ambohidratrimo Marovatana ny rova nisy ny mpanjaka tamin’izany. Hita mandrafitra azy ao ny fasana misy ny mpanjaka, ny vato fikabarian’ny mpanjaka, ny fasan’ny miaramilan’ny mpanjaka, ny fatana fandrahoana sakafo tamin’izany, ny vato fitsarana fampinomana tangena, ny vala fiompiana. Mbola tazana eny ihany koa ny fototry ny lapa nonenan’ny mpanjaka tamin’izany. Ny lapa izay may ny taona 2015. Mampiavaka ny vohitra ny fisian’ny vato misy nono, fangatahan-tsodrano ho an’ny olona tsy miteraka sy ny vato fitsapana vintana ary ny dian-tongotry Rapeto.
Maro ny liana fa vitsy ny mampahafantatra
Mahaliana ny Malagasy, indrindra ny tanora, ny tantaran’ny fireneny. Vitsy anefa ny mampahafantatra sy ny fomba ahafantarana izany. Araka ny nambaran-dRandrianarisoa Théodore, mpiandraikitra ny Rovan’ Ambohidratrimo, nahatonga izany ny fitaizana sy ny tsy fampahafantaran’ny ray aman-dreny izany. Manaraka izany, ny fanatontoloana sy ny teknolojia ary ny fivavahana. Nambaran’ity tomponandraikitra ity fa nolotoina ary natao raiki-tapisaka ao an-tsain’ny olona fa rehefa mamonjy ireny toerana ireny dia manompo sampy. Vokatr’izany, matahotra ny olona hanatona ireny toerana ireny, na dia hamantatra ny tantarany aza.
Zava-dehibe ary anisan’ny mampiavaka ny firenena iray ny tantarany. Samy tompon’andraikitra ny rehetra ao anatin’ny fanomezana sy famerenana hasina izany, indrindra amin’ny fampahafantarana ny tantara sy ny fomba. «Manana andraikitra voalohany ny mpitondra fanjakana amin’ny maha raiamandreny eto amin’ny firenena azy ireo», hoy Randrianarisoa Théodore. Tokony homena lanja ny fomba malagasy ary tokony hisy fankalazana ireny andro manan-danja eo amin’ny maha Malagasy ireny. Manaraka izany, atao ezaka sy vina ny hanaparitahana amin’ny fomba rehetra ny tantara. Ary farany, tokony hiezaka sy hanana finiavana ny Malagasy hamantatra ny tantaran’ny firenena.
Nanatontosa : Lin