Antoko Monima: “Tsy tanteraka ny fitakiana tamin’ny 2009”

Anisan’ireo nametraka fehezam-boninkazo fahatsiarovana ny faha-15 taonan’ny
7 febroary tetsy Antaninare­nina ny eo anivon’ny Monima, omaly, amin’ny alalan’ny mpitarika, i Monja Roindefo. Nambarany fa mbola mijoro hatrany izy ireo hatramin’izao. “Tsy misy tanteraka ny tolona sy ny fitakiana tamin’izany”, hoy izy. Notanisainy ny tsy mbola fipetrahan’ny demokrasia mivantana eo amin’ny toekarena sy ny sosialy… Mbola eto ny Monima ary mijoro ho vavolombelon’ny tantara sy hanitsy izany. Notsiahiviny fa anton’ny nijoroan’ny vahoaka tamin’izany ny demokrasia mivantana rehefa 100% avokoa ny parlemanta sy ireo antanan-tohatra rehetra ha­trany amin’ny mpitandro filaminana.

Tsy matoky ny hampadio ny fifidianana

Etsy andaniny, nitondra ny heviny ny momba ny fifidia­nana depiote sy ny ben’ny Tanàna ary ny mpanolotsaina ny tenany. Nanteriny fa tsy nandeha amin’ny laonina ny teo aloha. “Tsy nanaraka ny fenitra sy ny lalàna ny fifidianana filoham-pirenena ary mbola iainana amin’ny fifidianana manaraka eo…”, hoy izy. Nahitsy ny Monima nilaza fa tsy azo antoka hadio sy hangarahara izany raha mbola ireo rafitra ireo ihany no hikarakara sy hanomana ny fifi­dianana. Notakin’izy ireo ny hametrahana ny tany tan-dalàna sy ny lasitra demokra­tika.

Synèse R.

Partager sur: