Lany ary hampiharina ilay lalàna momba ny famaizana ny mpanolana. Niresaka momba izany i Lanto Ratsida, mpandinika fiarahamonina.
Tsy maintsy jerena akaiky ny vokatra ara-piarahamonina amin’ny fampiharana ny lalàna momba ny famosirana sy ny sazy ho an’ireo mpanolana, hoy ny mpandinika fiarahamonina, i Lanto Ratsida.
Mila fanadihadiana lalim-paka izay mifototra amin’ny kolontsaina, fisorohana, fanabeazana ary fanohanana ireo niharan’ny fanolanana ny lalàna. Ny sazy henjana fotsiny dia tsy ampy hamaha ity olan’ny fanolanana ara-nofo ity.
Rehefa tena dinihina ara-tsosiolojia dia misy hevitra mifanipaka ny amin’ny fanasaziana raha oharina amin’ny fanabeazana.
Ny mpandinika fiarahamonina sasany dia maneho fa ny sazy henjana dia mety hampatahotra ireo tena mpanolana kanefa misy koa ny mpikaroka milaza fa tokony hofantarina ny antony lalina mahatonga ny fanolanana ara-nofo mba hahafahana mametraka fepetra fisorohana mahomby.
Tsy maintsy jerena akaiky koa ny lafiny ara-kolontsaina eo amin’ny fiarahamonina malagasy. Anisan’izany ny fandrindrana ny lalàna sy ny sazy amin’ny kolontsaina efa nisy hatrizay mba hahafahana mahazo toky fa hoeken’ny fiarahamonina ary hampiharina ny ady amin’ny fanolanana.
Miankina tanteraka amin’ny fahafahan’ny rafi-pitsarana mametraka amin’ny fomba tsy miangatra ny lalàna ny fahombiazan’ny lalàna iray.
Mila famotorana sy fanadihadiana lalina, fitsarana tsy mitanila ary ny sazy mifandraika amin’ny heloka vita izany mba hisian’ny fahatokisana ny rafi-pitsarana.
Tsy maintsy jerena koa ny fandraisana an-tanana ny olona niharan’ny fanolanana. Fanohanana ara-tsaina, fametrahana ny sampandraharaha miahy ny fahasalamana ara-tsaina. Ny sampandraharaha manome ireo torohevitra ara-pitsarana. Ny fanohanana ara-tsosialy ary ny lalàna mihitsy dia tokony hampifamenoana amin’ny fanampiana ireo niharam-pahavoazana…
Tatiana A