Fiakaran’ny renirano : 16 ny traboina ao amin’ny kaominina Ampitatafika

Vokatry ny fiakaran’ny rano, manana traboina 16 ny kaominina Ampitatafika saingy efa lasa nody omaly ihany, araka ny fanazavana azo. Tonga teny an-toerana niaraka tamin’ny vedety ny solombavambahoaka sy ny tomponandraikitry ny Corps de protection civile (CPC) ary ny BNGRC, ny alin’ny talata, nijery ny zava-nisy teny an-toerana. Ho an’ny kaominina Soa­vina kosa, efa niverina eny amin’ny tokantranony avokoa ireo fianakaviana nafindra toerana vonjimaika satria efa nidina ny rano ka tsy misy ahina, hoy ny fanamarihan’ny ben’ny Tanàna. Rehefa fo­toam-pahavaratra, manana olana amin’ny fiakaran’ny ra­no hatrany ny kaominina Soa­vina ary nametraka komity mpanara-maso izy ireo hanaitra raha misy loza ahina.
Mbola manan-kery ny filazana loza manambana ho an’ny lemaka eto Antanana­rivo anatin’ny kaominina rehetra (17 kaominina) lalovan’ny reniranon’i Sisaony vokatry ny fiakaran’ny haavon’ny rano, araka ny filazana navoakan’ny Apipa omaly maraina. Maha­tratra 3,10m i Sisaony eo Am­pitatafika, efa nidina ny rano tao anatin’ny ora roa fa miankina amin’ny fivoaran’ny toetry ny andro ao anatin’ny 24 ora manaraka. Efa nihoarana ny refy milaza loza fanairana 2,50m eo Ampitatafika. Ma­nom­boka eo amin’ny kaominina Tsiafahy hatrany Anosizato Andrefana sy Ampangabe no voakasiky ny filazana.

Vonjy

Partager sur: