Rugby à 7 – Fifantenana ny ho Makis : tsy nandray anjara ny Cosfa, ny Uscar, ny 3FB

Tontosa ny sabotsy 3 sy ny alahady 4 febroary lasa teo, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny “Tournoi” rugby lalaovina olona 7, lahy sy vavy, hifantenana izay handrafitra ny Makis de Mada­gascar. Nahavariana ny rehetra ny tsy nahitana ireo ekipa goavana tsy nandray anjara toy ny Cosfa, ny 3FB, ny Uscar ary ny Savony, izay samy ao amin’ny “Top 12” avokoa.

Voalazan’ny tomponandraikitry ny Malagasy Rugby fa tsy nasian-dry zalahy lanjany ity “Tournoi” ity, fa nataka­lony fifaninanana efa voararan’ ny lalàna, natao tany amin’ny kianja hafa. “Fanimbana ireo mpilalao ao anatin’ny ekipa izao tsy famelana azy ireo hiatrika ny fifantenana izao. To­kony mba hojeren’ny mpitantana ny klioba ny hoavin’izy ireo satria voninahi-pirenena no arovana sy jerena”, hoy i Antsoniandro, tale teknika nasionaly eo anivon’ny Mala­gasy Rugby.
Marihina fa hakana mpilalao handrafitra ny Makia, hiatrika ny lalao afrikanina hatao any Ghana, ny 8 – 23 marsa, izy ity. Nanomboka omaly alarobia, teny Andohatapenaka ny fampivondronana ireo 50 lahy sy 50 vavy voafantina, nandritra ny “Tournoi”. Mamy Kely, no ho mpanazatra ny vehi­vavy ary Razily ny an’ny lehilahy.
Tsiahivina fa tompondaka tamin’ity “Tournoi” ity ny CRAI Ambalavao Isotry ho an’ny lehilahy ary ny SCB Besarety, ny vehivavy.

Tompondaka

Partager sur: