“Pureplay Foot-ball League” : tsy hitsanga-menatra ny Inate FC Rouge

Hotanterahina anio sy rahampitso ny andro voalo­hany ho an’ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Foot-ball League (PFL)”, taranja bao­lina kitra. Anisan’ireo klioba vao niakatra teo amin’ity fifanintsanana ity ny Inate FC Rouge Vakinankaratra. “Tsy hitsanga-menatra ny Inate FC Rouge amin’ity PFL ity”, hoy Rakotondramiara Hasina, filohan’ny klioba, omaly, teny Am­bohimanambola.
Tanjona ho azy ireo ny tsy hivarinany any amin’ny divi­ziona faharoa ary hiezaka ny ho tompondaka amin’ny “PFL 2024”. Ny ekipan’ny Dato FC no hifanandrina amin’izy ireo, ny alahady ho avy izao, eny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus. Nomarihin’ity filoha ity fa tsy novidian’izy ireo ny klioba Inate FC Vakinankaratra. Araka ny fanazavana nomeny, nitambatra ho iray ny FC Rouge sy ny Inate FC, tao­rian’ny fifanarahana nataony sy ny lehiben’ity ekipan’i Vaki­nankaratra ity. Ireo mpilalaon’ ny FC Rouge sy ny Inate FC no mandrafitra ny Inate FC Rouge.
Tsiahivina fa ny ekipan’ny FC Rouge no tompondakan’ ny ligin’Analamanga, taona 2023. Tompon’ny amboara lefitra tamin’ny diviziona faharoa nasionaly ny Inate Vaki­nankaratra, ny taom-pilalao­vana farany teo.

Fitia Randria

Partager sur: