Harinkarena : mihalafo ny vidim-piainana eto Madagasikara

Mihamafy ny fi­son­drotry ny vidim-piainana manerana an’i Madagasi­kara. Teo amin’ny 6,9% tamin’ny 2022 niakatra 11,3 % ta­min’ny 2023, izay nokajiana 10,5 % taorian’ny jona 2023 ihany ary
8,5 % amin’izao fiandohan’ny 2024 izao, saingy mifanohitra amin’izay ny zava-misy.

Nandalo tsy fahampian’ ny fitomboan’ny harinkarena sy fahantrana lalina i Madagasikara, am-polo taona maro. Noho ny faharatsian’ny fitantanana ny toekarena, ny haratsian’ny toetr’andro ary ny vokatry ny ady any Ukraine. Tsy mampandroso ny lafiny maha olona sy fanodinana toekarena izany.
Nihisatra ny harinkarena eto Madagasikara. Raha 75 % izany tamin’ny 2022, lasa 5,7 % ny 2021. Nihena ho 3,8% izany tamin’ny 2022 noho ny toetr’andro sy ny ady any Ukraine sy Rosia. Antony goavana nampisondrotra ny vidin-tsolika nanomboka tamin’ny febroary 2022 teo amin’ny tsena iraisam-pirenena. To­kony hanatsara ny harinkarena amin’izao 2024 izao ny firenena malagasy.
Olana tsapa, mihamafy ny fisondrotry ny vidim-piainana, nanomboka tamin’ny 2023. Izay nahatratra 11,3 % eo ho eo. Nitombo ihany koa ny fatiantoka eo amin’ny harin­karena faobe (PIB). Raha
5 % izany tamin’ny 2021, lasa 5,6 % tamin’ny 2022. Na teo aza ny fihenan’ny vidin-tsolika maneran-tany, tokony hampihena ny fatiantoka amin’ny harinkarena faobe ho 4,5 % eo anelanelan’ny 2023 – 2025 izany. Misedra olana ny va­rotra ivelany rehetra ataon’i Madagasikara. Antony, ma­nantombo ny fanafarana en­tana raha ampitahana amin’ ny varotra ivelany. Mihena ihany koa ny kalitaon’ny lavanila.
Misy fiantraikany ratsy eo amin’ny harinkarena faobe ireo zava-misy ireo. Nitombo ho 56,9 % ny fatiantoka ta­min’ny 2022, noho ny fahataran’ny fandoavana haba isan-karazany avy amin’ny solika. Nampihena ny fatiantoka amin’ny tetibolam-panjakana tamin’ny 2023 ireo trosa ireo.

Mamaritra ny politika momba ny vola ny Banky foiben’i Madagasikara

Nahitana fiakarana ny vidin-tsolika sy ny angovo maneran-tany. Miankina betsa­ka amin’ny solitany i Ma­daga­sikara. Vokany, voatery mampiakatra ny vidiny eny amin’ ny fivarotan-tsolika izy. Misy fiantraikany amin’ny fihodi­nan’ny toekarena ankapobeny anefa izany. Vokany, nisedra ny fiakaran’ny vidim-piainana ny eto Madagasikara tao anatin’ny taona maro. Ma­herin’ny 10 % izany, ary mi­tombo hatrany isan-taona. Toy ny vidin-javatra ilaina andavanandro sy ny raharaha hafa andoavam-bola, amin’ny fanjakana na tsy miankina. Misy fiantraikany goavana eo anivon’ny isan-tokantrano izany.
Adidin’ny Banky foiben’i Madagasikara ny mamaritra ny politika ara-bola. Izay ma­metra ny fiakaran’ny vidim-piainana eto amin’ny firenena. Jerena amin’izany, ny endriky ny sondro-bidy sy ny fiantraikany eo amin’ny tokantrano tsirairay. Tokony hifanaraka amin’izay, ny fepetra raisin’ny fanjakana.

Ambany ny sandam-bola Ariary

Ankoatra ny olana mianjady maneran-tany sy ny fiakaran’ny vidin-tsolika. Anisan’ny olana goavana sedrain’ny olona ihany koa ny fihenan’ny sandam-bola Ariary. Raha ampitahana amin’ny dolara sy ny euro. Mampisondrotra tampoka ny vidin-javatra eto an-toerana ireo, miampy ny fanararaotana ataon’ny sasany. Teo ihany koa ny aretina Covid-19, ny fahalemen’ny toekarena. Anisan’ny mahalafo ny vidim-piainana koa ny fitombon’ny fandaniana eo amin’ny orinasa. Mampihena ny fandaniana ao aminy ny ankamaroan’ny orinasa, tonga hatramin’ny fanesorana mpiasa.
Nihena, araka izany, ny fampiasam-bola eo amin’ny fambolena sy ny fiompiana, ny indostria ary ny asa tanana. Ankoatra izay, tsy ampy ny fanafarana entana ilain’ny mponina sy ny asa any amin’ny indostria, raha ny zava-misy.

Mihena ny fahefa-mividin’ny maro

Betsaka ny voka-dratsy ateraky ny fisondrotry ny vidim-piainana. Nahitana fiakarany avokoa ny vary, ny hena, ny legioma, ny voankazo… Efa tafakatra 3 500 Ariary ny kilaon’ ny vary ankehitriny. Tsy ampy ny vola miditra isan-tokantrano, izay mitsinjara zavatra maro. Toy ny hividianana sakafo, natokana ho an’ny fahasalamana…. Mihena, noho izany, ny fahafahan’ny maro manao tahiry. Mitombo kosa ireo entana hafarana. Toy ny fanafody, ny vidin’ny angovo sy ny solika…

Nanatontosa : R.Mathieu

 

Partager sur: