Lomano-« Mondial 2024 »: hiditra an-tsehatra rahampitso i Tendry

Nanomboka omaly, tao Doha Qatar, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja lomano. Araka ny efa fantatra, manana solontena amin’ity fifaninanana ity i Madagasikara, ahitana an’i Tendrinavalona Idealy sy Raharvel Jonathan.

Raha ny fandaharam-potoana, rahampitso talata 13 febroary no hiditra an-tsehatra i Tendry. Hanombohany izany ny sokajy 100m dos ary hitohy amin’ny 50 m dos amin’ny alarobia 14 febroary izao. Efa vonona tanteraka i Ten­dri­navalona Idealy ary satria voatsonga misitraka ilay vatsim-pianarana avy amin’ny World Aquatics any Thaïlande izy, vao mainka afaka nanomana tsara ity fiadiana ny tompondaka maneran-tany ity. Tsiahivina fa efa niatrika ny anjarany ihany koa Raharvel Jonathan, omaly, teo amin’ny 100m brasse. Ho­taterina eto ihany ny vokatra rehefa tonga eto am-pelatanana.

Samy hiezaka ny hanatsara ny zava-bita sy haka “record national” izy mianadahy, araka ny nambarany. Samy mbola miady ny hahazoana tapakila amin’ny “lalao olympika 2024” ihany koa na i Tendry na i Jonathan, amin’izao.

Mi.Raz

Partager sur: